"Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy." — Isa. 53:2.
Mofon'aina:
Efa sahabo ho roa arivo taona izao, dia nisy feo nirakitra zava-miafina ny maha-zava-dehibe azy, re tany an-danitra avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra nanao hoe: "Inty Aho tonga". "Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy ... Inty Aho tonga - ao min'ny horonam-boky no nanoratana Ahy hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô." Ireo teny ireo dia manambara ny fahatanterahan'ny fikasana izay nafenina hatramin'ny fahagola. Efa hitsidika ny tanintsika Kristy ka ho tonga nofo. (...) Raha niseho tamin'ny voninahitra izay niarahany nanana tamin'ny Ray talohan'ny nisian'izao tontolo izao Izy, dia tsy ho zakantsika ny fanatrehany. (...) Nosaronana tamin'ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra Azy, - tao amin'ny endriky ny maha-olombelona hita maso, ny voninahiny tsy hita maso.
Efa naseho mialoha tamin'ny alalan'ny aloka sy ny tandindona io fikasana lehibe io. Ilay roimemy nirehitra, izay nisehoan'i Kristy tamin'i Mosesy, dia nanambara an'Andriamanitra. (...) Nanarona ny voninahiny tao amin'ny tandindona ambany indrindra Ilay Andriamanitra be famindrampo, mba hahazoan'i Mosesy mibanjina izany nefa ho velona. Toy izany koa, tao amin'ilay andri-rahona nony andro sy ny andri-afo nony alina, no nitenenan'Andriamanitra tamin'ny Isiraely, ka nanehoany ny sitrapony tamin'ny olombelona, ary nizarany ny fahasoavany taminy. Nampileferina ny voninahitr'Andriamanitra ary nosaronana ny fiandrianany, mba hahazoan'ny maso kely herin'olombelona voafetra mibanjina izany. Toy izany koa no nahatongavan'i Kristy tamin'ny "feon 'ny fietrentenantsika", "nanam-pitoviana tamin'ny olona". Teo imason'izao tontolo izao dia tsy nanana hatsaran-tarehy izay naniriany Azy Izy, fa Andriamanitra tonga nofo, fahazavan'ny lanitra sy ny tany. (...)
Nampitondra baiko an'i Mosesy ho an'ny Isiraely Andriamanitra nanao hoe: Asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy dia honina eo aminy Aho," koa dia nitoetra tao amin'ny fitoerana masina, teo anivon'ny vahoakany Izy. Nandritra ny fivezivezeny nandreraka tany an' efitra tany, dia teo aminy ny tandindon'ny fanatrehany. Toy izany no nananganan'i Kristy ny tabemakeliny teo anivon'ny toera-pilasiantsika olombelona. Natsangany teo akaikin'ny trano lain'ny olombelona ny trano lainy, mba honenany eo amintsika amin'ny toetra amam-panahy sy ny fiainan'Andriamanitra.— IFM, tt. 13,14.