Mpisolovava eo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra

    "Iza no manameloka? Kristy Jesôsy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriarnanitra ary mifona ho antsika." —Rôm. 8:34.

    Mofon'aina:

    Raha niverina avy any amin'ny tendrombohitra Oliva ho any Jerosalema ny mpianatra, dia nijery azy ireo ny vahoaka ary nanampo hahita soritra alahelo sy tebiteby ary faharesena teny amin'ny endriny, kanjo fifaliana sy fandresena no hitany teo aminy. (...) Efa nahita ny Mpamonjy nitsangana tamin'ny maty izy ary nanakoako mandrakariva tao an-tsofiny ny teny fikasana nataony raha nandao azy Izy. 

    Ho fankatoavana ny baikon'i Kristy dia niandry ny teny fikasan'ny Ray tao Jerosalema izy — dia ny firotsahan'ny Fanahy. Tsy nitomoe-poana izy teo am-piandrasana. Hoy ny Soratra Masina hoe: "Ary teo an-kianjan'ny tempoly isanandro  izy nankalaza an'Andriarnanitra". Nivory koa izy mba hitondra ny fangatahany teo amin'ny Ray amin'ny anaran'i Jesôsy. Fantany fa nanana Solontena any an-danitra izy, Mpisolovava eo anatrehan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Niondrika nivavaka tamim-panajana fatratra izy, namerina ny toky hoe: "Na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany. Mandraka ankehitriny dia isy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako hianareo; mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo". Nisandratra ho ambony kokoa hatrany ny tanan'ny finoana, notohanan'ny laha-kevitra mahery hoe: "Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika." 

    Raha niandry ny fanatanterahana ny teny fikasana ny mpianatra, dia nampietry ny fony tamin'ny fibebahana marina izy ka niaiky ny tsy finoany. (...) Niverina tao an-tsainy ireo fahamarinana izay tsy tao amin'ny fitadidiany intsony, ary naverimberiny tamin'izy samy izy izany. (...) 

    Nifanesy toy ny nanao rano lava teo imasony ireo toe-javatra teo amin'ny fiainany mahagaga. Raha nandinika ny fiainany madio sy masina izy ireo, dia tsapany fa tsy misy asa ho mafy loatra, raha mba azony atao ny ho vavolombelon'ny toetra amam-panahy maha-te ho tian'i Kristy eo amin'ny fiainany. Raha mba afaka hiverina hivelomany indray mantsy ireo telo taona lasa, dia tsy hitovy tamin'ny lasa ny fihetsiny!— VM, tt. 33,34

    Please publish modules in offcanvas position.