Ilay Nazarena natao tsinontsinona

    "Fa tsy maintsy mijaly mafy lzy aloha ka holavin'ity  taranaka ity."  Lio. 17:25. 

    Mofon'aina:

    Hery mitarika ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy ny harena. Raha ampiasaina araka ny tokony ho izy izany dia tonga loharam-pisaorana mitohy, satria raha ampiasaina araka izay irin'Andriamanitra ampiasana azy ny harena dia hankasitrahana ny fanomezan' Andriamanitra ary hekena Ilay Mpanome. Ireo izay mandroba an'Andriamanitra amin'ny tsy fanohanana ny asany sy ny tsy fanampiana ireo mahantra mijaly dia hiharan'ny fitsarany ho valin'ny asany. Ny Raintsika any an-danitra, izay nanome antsika tamim-pahatokiana ny fanomezan-tsoa rehetra, dia mamindra fo amin'ny tsy fahalalantsika sy ny fahalementsika ary ny toerana misy antsika izay tsy misy antenaina. Nomeny antsika maimaim-poana ny Zanany malalany mba hamonjena antsika amin'ny fahafatesana. Izay rehetra ambarantsika fa antsika no takiny amintsika. Ny fanaovana tsirambina ny mahantra mijaly dia fanaovana tsinontsinona an'i Kristy, satria efa nilaza Izy fa ireny mahantra ireny no solontenany eto an-tany. (...) 

    Raisin'i Kristy ho an'ny tenany izay rehetra mihatra amin'ny olombelona mijaly. Toy ny fon'ny ray aman-dreny izay tia sy onena ny zanany kely mijaly, dia toy izany koa ny Mpanavotra antsika; miray fo amin'ireo zanany mahantra sy kely indrindra eto an-tany Izy. Napetrany ho eo anivontslka izy ireny mba hamohazana ao am-pontsika ilay fitiavana, izay ao Aminy koa, ho an'ireo mijaly sy ampahoriana; ary izay manao ratsy, na manaraby, na mampijaly azy ireny dia hiharan'ny fitsarany. (...) 

    Na dia Andrian'ny fiainana aza Izy, dia tsy niandany tamin'ireo olo-manan-daza sy manan-kaja, fa tamin'ny ory sy ny mahantra ary ny mijaly. Izy ilay Nazarena natao tsinontsinona. Tsy mba nanana izay nipetrahan'ny lohany Izy. (...) Izy no Mpanjakan'ny voninahitra ankehitriny (...). Hifandrombaka hanome voninahitra Azy ny rehetra, hitalaho mba ho eo anatrehany. Omena antsika ankehitriny ny tombontsoa handray an'i Kristy amin'ny alalan'ireo olony masina. TFC b. 4, tt. 620,621. 

    Please publish modules in offcanvas position.