Mpandresy

    "Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary ilay nitaingana azy dia nanana tsipìka, ary nomena satroboninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy." Apôk. 6:2.

    Mofon'aina:

    Tonga ny fotoana hiakaran'i Kristy ho any amin'ny seza fiandrianan'ny Rainy. Andriamanitra Izy ary efa hiverina ho any amin'ny lapan'ny lanitra mitondra ny vokatra azony tamin'ny fandreseny. Talohan'ny nahafatesany, dia efa nanambara tamin'ny Rainy Izy hoe: (...) " Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko". Rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy, dia naharitraritra teto an-tany fotoana fohy, mba hahazoan'ny mpianany mifankazatra Aminy tao amin'ny tenany nitsangana tamin'ny maty sy nomem-boninahitra. Vonona ny hakarina Izy izao. (...)

    Ny toerana nofidin'i Jesôsy ho toerana hiakarany, dia ilay nohamasinin'ny fanatrehany matetika raha niaina teo anivon'ny olona Izy. (...) Teo i Kristy no natao flhomehezana sy nolavina. Teo no nisamonta mafy tokoa ny onjam-pamindrampo mbola mitondra fitiavana mahery kokoa, ka niankapoka niverina tamin'ny fo mafy sahala amin'ny vatolampy. Avy teo i Jesôsy  no vizana sy navesatra, ka nandeha hitady fialan-tsasatra ny fony. (...) Nivavaka sy niady nihatra taman'aina samirery Izy tao amin'ny sahan'i Getsemane, teo am-pototr'izany tendrombohitra izany. (...) 

    Raha tonga teo amin'ny tendrombohitra Oliva i Jesôsy , dia notarihiny ny lalana namakivaky ny tampony ho eny akaikin'ny Betania. Teo izy no nijanona, ka nitangorona nanodidina Azy ny mpianatra. Toa nisy tara-pahazavana nitaratra avy tamin'ny endriny raha nijery azy ireo tamim-pitiavana Izy. Tsy nanome tsiny Azy noho ny fahadisoany sy ny fahalemeny Izy; teny feno fitiavana lalina indrindra no farany nidina tao an-tsofiny avy tamin'ny molotry ny Tompony. Nitsotra ny tanany hitahy, ary toy ny nanome toky ny fiarovany sy ny fikarakarany, dia niakatra moramora niala teo aminy Izy, nosarihin'ny hery mafy noho ny hery maninton'ny tany hiakatra ho any an-danitra. (...) 

    Raba mbola variana niandrandra sy nitazana ny mpianatra, dia nisy feo niteny taminy izay toy ny feon'ny zava-maneno kanto indrindra. (...) "Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo? Iny Jesôsy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra." IFM, tt. 890,891. 

    Please publish modules in offcanvas position.