"Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'izay naniraka Ahy." - Jao. 6:38.
Mofon'aina:
Ny zava-dehibe indrindra ilain' izao tontolo izao dia ezaka feno fanoloran-tena ho famonjem-panahy. Maniry hampahery ny olony amin'ny heriny manontolo i Kristy ka amin'ny alalan'izy ireo dia ho voahodidin'ny rivo-pahasoavana ny tany manontolo. Rehefa hanolotra tanteraka ny fony ho an'Andriamanitra ny olony, ary handeha eo anatrehany amim-panetren-tena sy finoana, dia hotanterahiny amin'ny alalan'izy ireo ny fikasany mandrakizay, ka hataony izay hanaovan'izy ireo asa feno firindrana eo am-pitoriana ny fahamarinana amin'izao tontolo izao, araka ny isehoan'izany ao amin'i Jesôsy. Hampiasa ny olona rehetra Izy, na lehilahy na vehivavy na ankizy, mba hampamirapiratra ny fahazavana amin'izao tontolo izao, ary hiantso olona, dia izay mahatoky amin'ny fitandremana ny didiny.
Vakio Jao. 3:16. Ny famonjem-panahy no tanjona lehibe izay namoizan'i Kristy ny maha-Mpanjaka Azy sy ny satroboninahiny, ny voninahitry ny lanitra sy ny fiankohofan'ny anjely; ary navelany ny maha-Andriamanitra Azy, dia tonga teto an-tany Izy, mba hiasa sy hijaly amin'ny maha-olombelona Azy. Izay efa niova ho tahaka an'i Kristy, izay mandala ny toe-tsain'ilay Misiônera lehibe, dia feno hilaza ny vaovao mahafalin'ny famonjena any amin'ny faritra lavitra, amin'ireo izay tsy mahalala ny Mpamonjy. (...) Ny sorona natao teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary no mampahery sy manesika azy hanao ezaka tsy mety sasatra sy haneho zotom-po tsy mitsahatra. Izao ny fanapahan-keviny: "tsy ho resy aho ary tsy ho kivy." Hitaona ireo manodidina azy ho eo amin'ny Mpamonjy izy amin'ny alalan'ny fiainany mifandrindra amin'ny finoany.
Ireo izay manolo-tena ho amin'ny fanompoana Kristianina no mahafantatra ny tena hevitry ny fahasambarana. Mihoatra lavitra noho ny "izaho"-ny ny zava-mahaliana azy sy ny vavaka ataony. Mitombo izy ireo rehefa miezaka ny manatratra ny hafa. (...) Miha-mitovy amin'i Kristy hatrany izy ireo ao anatin'ny drafiny rehetra. Tsy afaka ny tsy handroso izy ireo. Voatohitra ny faniriana feno fitiavan-tena sy ny fitadiavana izay ho an'ny tena noho ny faniriana ambony sy masina izay mameno ny fisainany mandrakariva. - RH, 21 Nôvambra 1907.