"Fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo." —Lio. 12:12.
Mofon'aina:
Ny mpanompon'i Kristy dia hoentina eo anatrehan'ny olona ambony eo amin'izao tontolo izao, izay tsy handre mihitsy ny fahamarinana, raha tsy noho ny fanendrikendrehana hahatra amin'ireny olona ireny. Fiampangana lainga no re momba ny finoan'ny mpianatr'i Kristy. Matetika dia ny fijoroana ho vavolombelona hataon'ireo nentina hotsaraina noho ny finoany no hany fomba ahafantarany ny tena toetr'izany finoana izany. Eo am-pitsarana azy, dia asaina mamaly izy, ka hihaino ny teny vavolombelona hataony ny mpitsara. Homena ny mpanompony ny fahasoavan'Andriamanitra izay hisetrany io zava-tsarotra io. «(...) Fa homena anareo, amin'izany ora izany, hoy i Jesôsy, izay holazainareo. Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny an anatinareo». (...) Hijoro hiampanga sy hampahory ny mpianatra ireo izay mitsipaka ny fahamarinana. Nefa na dia eo aza ny fatiantoka sy ny fahoriana, eny, na dia hatramin'ny fahafatesana aza, dia hampiseho ny halemem-panahy nananan'Ilay Andriamanitra. Ohatra ho antsika ny zanak'i Jehôvah. Amin' izay no hahitana ny fahasamihafan'ny mpiasan'i Satana sy ny solon-tenan' i Kristy.
Hasandratra eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny vahoaka ny Mpamonjy.
Tsy nomena ny herim-po sy ny faherezan'ny maritiora ny mpianatra raha tsy efa nilaina ny fahasoavana toy izany. Tamin'izany no nahatanteraka ny teny fikasan'ny Mpamonjy. Rehefa nijoro ho vavolombelona teo anatrehan'ny filan-kevitry ny Sinedriona i Petera sy Jaona, dia "gaga izy (ny olona); ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesôsy izy miralahy."Izao no voasoratra ny amin'i Stefana: "Azy izay rehetra nipetraka teo amin'ny Synedriona, raha nandinika an'i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin'anjely." "Tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany" ny olona. (...)
Tsy tokony hanomana lahateny matipaika haseho rehefa tonga amin'ny fitsarana ny mpanompon'i Kristy. Tokony hatao isan'andro isan'andro ny fiomanany amin'ny fanangonana ho rakitra ho an'ny tenany ireo fahamarinana sarobidy ao amin'ny tenin'Andriamanitra, sy amin'ny alalan'ny fivavahana izay mampahatanjaka ny finoany. Rehefa nentina teo amin'ny fitsarana izy ireo dia ny Fanahy Masina no hampahatsiaro ny fahamarinana izay ilaina indrindra. — IFM, U. 373,374