"Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany, ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana." — 2 Kôr. 5:19.
Mofon'aina:
Tsy nanaisotra na dia kely akory aza tamin'ny tokony hitandremana ny lalam-pitondrantena ny fahafatesan' ny Mpamonjy, izay nentina namarana ny didy momba ny fombafombam-pivavahana sy ny aloka. Fa vao mainka koa aza mampiseho ny tsy fiovaovany ny fahafatesan'ny Zanak'Andriamanitra tonga nisolo ny fandikana azy.
Milaza ny andro jiosy ho fotoan'ny haizina sy ny fivavahana hebreo ho fombafombam-pivavahana ranofotsiny ny olona izay mampianatra fa tonga handrava ny lalan'Andriamanitra sy hanafoana ny Testamenta Taloha i Jesôsy. Fahadisoan-kevitra izany. hita mandrkariva ny fotoan-drehetra ao amin'ny tantara masina, izay ilazalazana ireo lalana nitondrany ny olom-boafidiny ny dian-tanan'llay IZAHO lehibe mahagaga. Tsy mbola naneho na oviana na oviana tamin'ny olona, porofo velona mihoatra ny fanatrehany Izy, raha tsy tamin'ny fotoana nahafantarana Azy ho hany Mpanjaka tokana tao Isiraely, ka nanomezany azy ny Lalàny, sy nahitana ny fandalovany mahatahotra tao an-toby ary ny tanany tsy hita maso namindrafindra ny tehim-panjakany tsy manam-paharoa.
Tsy tamin'ny fotoana nahatongavan'ny Mpamonjy ihany, fa manerana ny taonjato rehetra taorian'ny fahalavoana sy ny fampanantenana fanavotana no "Andriamanitra ao amin Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy". Tao amin'ireo fomba rehetra nampisehoana ny fanatrehan'Andriamanitra tao Isiraely, dia tamin'ny alalan'ny Zanany no nanehoan'Andriamanitra ny voninahiny, dia Ilay Zanany Izay fanorenana sy foiben'ny fanaovana fanatitra, na tamin'ny andron'ny patriarka na tamin'ny andron'ny Jiosy.
Tsy misy intsony ny fifaneraserana mivantana teo amin'Andriamanitra sy ny olona hatramin'ny fotoana nanotan'ireo razambentsika. Napetrak'Andriamanitra teo am-pelatanan'ny Zanany izao tontolo izao, mba hanavotany azy amin'ny asa fanalalanana ataony, miaraka amin'ny fitakiana ny fahamasinana sy ny fahefan'ny Lalàna. Ny Zanak'Andriamanitra no Mpanelanelana, rehefa mety ho fifampiraharahana ifanaovan'ny lanitra amintsika taranak'olombelona lavo. Ny Zanak'Andriamanitra no nanome ny teny fikasana momba ny fanavotana tamin'ireo razambentsika ary Izy koa no niseho tamin'ireo patriarka. Nahafantatra ny Filazantsara avokoa i Adama, i Nôà, i Abrahama, i Isaka, i Jakôba ary i Mosesy. — PM, tt. 356,357.