"Fa Jesôsy namaly azy hoe: ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa". Jao. 5:17.
Mofon'aina:
Lehilahy sy vehivavy maro no manasarotra avo folo heny ny asa fampandrosoana ny fahamarinna noho ny fikatsahany haka ny asa eo ampelatanan'Andriamanitra ho eo an-tanany voafetra. Mihevitra izy ireo fa tsy maintsy mamoron-javatra tsy tapaka mba hahatonga ny olona hanao izay heveriny fa tokony hataon'ireo olona ireo. Manasarotra ny asa ny fotoana lany toy izany satria atao ankilabao ny Ray lehiben'ny mpiasa izay tompon'ny asa. Lehilahy sy vehivavy maro no miezaka manarina ny toetra ratsin'ny namany ka mainka ratsy kokoa aza ny vokatr'izany. Tsara ho azy ireo ny mamela an'Andriamanitra hanao ny asan'ny Tenany, satria fantany fa tsy mahay manova toetra izy ireo.
Ny toe-tsain'i Kristy no ilain'izy ireo hamonto azy. Raha mamikitra amin'ny heriny izy ireo dia ho vita fihavanana Aminy; ka ho afaka hihavana amin'ireo mpiara-miasa namany. (...) Ny hany fiarovana ho antsika dia ny mivavaka ka tsy mitsahatra, ny mifanoro hevitra, ny mino fa hiaro ny mpiray fanantenana amintsika Andriamanitra tahaka ny tenantsika ihany, satria mitovy avokoa isika eo imasony. Hiasa ho antsika Andriamanitra raha toa ka mpianatra mahatoky sy mpankatò ny teniny isika.
Fa raha miharihary kosa ny fanaovan'ny mpiasa tsinontsinona ny didin'i Kristy mazava, dia ny mba hifankatiavantsika tahaka ny nitiavany antsika, ahoana moa hanantenantsika fa hitandrina izay baikon'olombelona voafetra mbamin'ireo fitsipika voafaritra mikasika ny fomba fiasa ny mpiray fanantenana amintsika? Tsy maintsy fahendrena ivelan'ny maha-olombelona antsika no mibaiko antsika, raha tsy izany dia ho toy ny mpitsabo tsy mahay manasitrana izany, ka mainka manimba aza. Aleo isika mitady an'Andriamanitra amin'ny fontsika manontolo, ka mandao ny fizahozahoana; satria "hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa". TMGW, n. 191,192.