"Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona." — Jao. 3:14.
Mofon'aina:
Taorian'ny nahafatesan'i Stefana dia nisy fanenjehana tsy an-kiato indrindra namely ny mpino tao Jerosalema ka "niely tany amin'ny tany Jodla sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany". "Fa Saoly nampahory mafy ny fiangonana (...)" Izao no nolazainy mikasika ny hafanam-pony tamin'io asa lozabe io taty aoriana: "Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran'i Jesôsy avy any Nazareta, sady nataoko tany Jerosalema izany, (...) ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza". Hita eo amin'ny tenin'i Saoly fa tsy i Stefana irery tsy akory no niaritra fahafatesana: "ary raha hovonoina ireny dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho" — Asa. 26:9-11. (...)
Anisan'ny Synedriona i Nikodemosy ary voatariky ny fampianaran'i Jesôsy niaraka tamin'ny hafa koa izy. Rehefa nanatri-maso ny asa mahagaga nataon'i Kristy izy, dia tafaorina mafy tao an-tsainy ny faharesen-dahatra fa io Ilay nirahin'Andriamanitra.
Be avona loatra izy ka tsy afaka hiaiky ampahibemaso ny firaisam-pony amin' Ilay Mpampianatra Galiliana; noho izany dia nitady izay hihaonana Taminy mangingina. Tamin'io resaka nifanaovany io dia novelarin'i Jesôsy teo anatrehany ny drafitry ny fanavotana sy ny asa nanirahana Azy teto amin'izao tontolo izao. Nefa mbola nisalasala ihany i Nikodemosy. (...) Tsy nanaiky an'i Kristy ampahibemaso i Nikodemosy, nefa kosa tao amin'ny fivorian'ny Synedriona dia nanakana matetika ny tetika nataon'ny mpisorona hamonoana Azy izy. Rehefa nasandratra teo amin'ny hazo fijaliana Kristy nony farany dia tsaroan'i Nikodemosy ny teny nataony taminy teo amin'ny tendrombohitra Oliva: Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona", koa hitany teo amin'i Jesôsy ny Mpanavotra an'izao tontolo izao. Nikodemosy sy Josefa avy any Arimatia no nizaka ny tany tamin'ny fandevenana an'i Jesôsy . Natahotra ny hiseho mazava ho mpanaraka an'i Kristy ny mpianatra fa Nikodemosy sy Josefa kosa tonga nanampy azy tamin-kasahiana — VM, tt. 93,94.