" Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko." Jao. 15:4.
Mofon'aina:
Ny fitiavan'i Jaona ny Tompony dia tsy toy ny fitiava-namana eo amin'ny samy olombelona fotsiny, fa fitiavan'ny mpanota iray mibebaka, izay nahatsapa fa efa navotana tamin'ny rà sarobidin' i Kristy. Noraisiny ho voninahitra lehibe indrindra ny miasa sy ny miari-pahoriana amin'ny fanompoana ny Tompony. Nahatonga azy ho tia ny olona rehetra izay namoizan'i Kristy ny ainy ny fitiavany an'i Jesôsy. Niainany tokoa ny fivavahany. (...) Re ombieny ombieny ny teniny manao hoe: « Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika». « Isika tia, satria lzy efa tia antsika taloha. Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra izay tsy hitany?» (...) Mpitory teny mahery sy mafana fo ary feno fanoloran-tena izy, ary nitondra faharesen-dahatra lehibe ny teniny.
Ny fitiavana matoky sy ny fanoloran-tena tsy mila tambiny izay hita teo amin'ny fiainan'i Jaona sy ny toetrany dia nitondra lesona sarobidy ho an'ny fiangonana kristianina. Mety hisy hilaza fa tsy niankina tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra izany fitiavany izany fa efa tao anatiny; kanefa raha ny toetran'i Jaona manokana no heverina dia be kilema tokoa izy; nirehareha izy sady fatra-paniry laza, ary nalaky tezitra teo anatrehan'ny fanaratsiana sy ny tsy rariny.
Tsy ny halalina sy ny halehiben'ny fitiavan'i Jaona ny Tompony tsy akory no nahatonga an'i Kristy ho tia azy, fa ny fitiavan'i Kristy azy kosa no nahatonga azy ho tia toy izany. Naniry ho tonga tahaka an'i Jesôsy i Jaona, ary teo ambanin'ny hery manovan'ny fitiavan'i Kristy, dia tonga malemy fanahy sy tsy miavona am-po izy. (...) Vokatry ny fiombonana amin'i Kristy mandrakariva izany. Izany no tena fanamasinana marina. - RH, 15 February 1881.