"Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho." — Sal, 32:8.
Mofon'aina:
Ny hevitra farany indrindra raketin'ny fivavahana nampianarin'ny Tompo, tahaka ilay voalohany, dia mampahatsiaro antsika fa ambony lavitra noho ny hery sy ny fahefana ary ny manana aina rehetra na iza na iza Ilay Raintsika any an-danitra. Nitsinjo mialoha ny fiainan-ko avin'ny mpianany ny Mpamonjy; tsy araka ny nantenain'izy ireo hoe hizotra amin'ny famirapiratan'ny harena aman-boninahitry ny tany ny fiainany, fa hosembanin'ny ranonoram-baratry ny fankahalan'ny olona sy ny fahatezeran'i Satana kosa ka ho maizina. (...) Hampahory ny fony matetika ny tahotra; tsy maintsy hanatri-maso ny handravana an'i Jerosalema izy; harodana ny tempoly, ho zava-poana ny fanompoam-pivavahana ataony, ary koa ny hampielezana ny Isiraely eran'ny tany rehetra. Fa nolazain'i Jesôsy taminy izany: "Handre ady sy filazana ady hianareo." "Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samihafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana" — Mat. 24:6-8. Aoka anefa ny mpanara-dia an'i Kristy tsy hihevitra fa very rehefa mety ho fanantenana ary nafoin'Andriamanitra ny tany. Aoka hotsaroany fa ny hery sy ny voninahitra anie ka an'Ilay Anankiray Izay manatanteraka tsy an-kiato ny fikasany ambony indrindra ka tsy misy mahasakana izany mandra-pahatontosany an-tsakany sy an-davany. (...)
Tandindon'ny faharavana farany izay hihatra amin'izao tontolo izao ny faharavan' i Jerosalema, kanefa ireo faminaniana nenti-nanambara izany, izay ampahany kely fotsiny no tanteraka tamin'izay dia mikendry ny andro farany indrindra. Mby eo an-katoky ny zava-mahatahotra sy miezinezina isika, eo an-katoky ny fotoan-tsarotra izay tsy mbola nisy toa azy teto amin'izao tontolo izao hatrizay hatrizay. (...) Ny fiandrianana araka ny maha-Andriamanitra Azy no entiny miahy izay ho anjaran'ny firenen-tsamihafa tahaka ny fiahiany ny fiangonany. Izay rehetra miasa hanatanteraka ny fikasany no ilazan'llay Tompon'ny lanitra tahaka ny nilazany tamin'i Kirosy hoe: "Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy hianao" — Isa. 45:5. — S, tt. 106,107.