Mpanazava

    "Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy ny endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin 'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin 'ny tànana ankavanan 'ny Lehibe any amin'ny avo." - Heb. 1:3.

    Mofon'aina:

    Amin'ny maha-Persôna Azy dia naneho ny Tenany tao amin'i Jesôsy Andriamanitra. Tonga teto an-tany amin'ny maha-olombelona azy Jesôsy ilay tandindon'ny voninahitry ny Ray, ary "ilay famirapiratan 'ny voninahiny sy endriky ny tenany" — Heb. 1:3. Tonga teto amin'izao tontolo izao amin'ny maha-Mpamonjy ny isam-batan'olona Azy Izy. Niakatra any an-danitra Izy, ary manao asa fanelanelanana, amin'ny maha-Mpamonjy ny isam-batan'olona Azy. Misolo tena antsika eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra ilay "Anankiray tahaka ny Zanak'olona." - Apôk. 1:13. Nanarona ny fahazavan'ny maha-Andriamanitra azy i Kristy, Ilay fahazavan'izao tontolo izao, ka niaina tahaka ny olombelona teo anivon'izy ireo, mba tsy hahalevona azy ireo fa hifankazaran'izy ireo amin'ny Mpahary azy. Tsy mbola nisy olombelona nahita an'Andriarnanitra raha tsy fony Izy niseho tamin'ny alalan' i Kristy. (...) 

    Tonga mba hampianatra ny zanak' olombelona izay tian'Andriamanitra ho fantatr' izy ireo i Kristy. (...) Maneho ny heriny, ny fahendreny ary ny fitiavany ny zavaboariny rehetra. Kanefa na ny kintana na ny ranomasina na ny rian-drano dia tsy misy ahafntarantsika tsara ny maha-Izy an'Andriamanitra toy ny hanambaran'i Kristy Azy. 

    Hitan'Andriamanitra fa nilaina ny fanambarana mazava kokoa noho ny zavaboary, mba hanehoana ny maha-Izy Azy sy ny toetrany. Nirahiny ho eto amin'izao tontolo izao ny Zanany mba hanambara, araka izay zakan'ny mason'otombelona, ny amin'ilay Andriamanitra tsy hita maso. Raha naniry ny haseho toy ny hoe monina ao anatin'ny zavaboary Andriamanitra, izany hoe ny voninkazo, ny hazo, ny bozaka, dia tsy ho nambaran'i Kristy tamin'ny mpianany ve izany fony Izy tety an-tany? Saingy tsy toy izany velively ilay Andriamanitra voaresaka ao amin'ny fampianaran'i Kristy. Nampianatra mazava ny fahamarinana i Kristy sy ny Apôstôly fa misy tokoa ilay Andriamanitra izay Persôna. - TFC, b. 8, tt. 265,266

    Please publish modules in offcanvas position.