"Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin 'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo." - Rôm. 1:20.
Mofon'aina:
Ary nisy lehilahy anankiray tany Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapiteny tamin'ny antokon'ny miaramila atao hoe Italiana; ary mpivavaka tsara sady natahotra an 'Andriamanitra izy mbamin'ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana tamin'ny olona sady nivavaka tamin'Andriamanitra mandrakariva. Na dia Rômanina aza i Komelio dia nanjary nifankazatra tamin'ilay Andriamanitra marina ary niala tamin'ny fanompoan-tsampy. Nankatò ny sitrapon'Andriamanitra izy ary niankohoka Taminy tamin'ny fo marina. Tsy nifandray tamin'ny Jiosy ny tenany, saingy fantany no sady nankatoaviny kosa ny lalàna ara-moralin'izy ireo. Tsy noforana izy ary tsy mba nandray anjara tamin'ireo fanaovana fanatitra, ka izany no nandraisan'ny Jiosy azy ho tsy madio. Nanohana ny foto-kevitra jiosy anefa izy tamin'ny alalan'ny fanolorana fanomezana an-tsitrapo, ary fantatry ny olona teo akaiky sy ny tany lavitra noho ny asa soa sy fiantrany nataony. Tsara laza teo amin'ny Jiosy sy ny Jentilisa izy noho ny fiainany feno fahamarinana.
Tsy nanana fahalalana momba ny finoana an'i Kristy i Kornelio na dia nino ny faminaniana sy niandrandra ilay Mesia izay ho avy aza. Tamin'ny alalan'ny fitiavany sy ny fankatoavany an'Andriamanitra no nitondrana azy hanakaiky an'Andriamanitra, ary nanomanana azy handray ilay Mpamonjy rehefa tokony haseho azy amin'izay Izy. Tonga ny fanamelohana rehefa lavina ny fanazavana omena. (...) Tombontsoa no nentin'ny hery miasa mangina tao aminy ho an'ireo rehetra nifandray taminy.
Nino ilay Andriamanitra tokana izy, dia ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany. Nanaja Azy fatratra izy, nanaiky ny fahefany, ary nikatsaka torohevitra taminy tao anatin'ny raharaha rehetra nataony teo amin'ny fiainany. Nahatoky izy tamin'ny andraikitra tao an-tokantranony sy tamin'ny andraikiny araka asa, ary nanorina ny alitaran'Andriamanitra teo anivon'ny ankohonany. (...) Hita taratra teo amin'ny asany rehetra ny finoana, nojeren'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fahadiovan'ny asany sy ny fahalalahan-tanany izy. - SP, b. 3, tt. 324,325.