Fanomezana isan’andro

    "Ny famindram-pon´i Jehôvah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao." - Fit. 3:22,23. 

    Mofon'aina:

    Ahoana no hahavelona ny olombelona raha toa ka tsy rotsaka tsy tapaka ho azy ireo ny fanomezana sy ny fitahiana avy any an-danitra? Manome tsy tapaka Andriamanitra mba hahafahan'ny olombelona manome tsy tapaka koa. Tsy mbola nisy fotoana nitakiana fanomezana na fanatitra ka tsy mifandanja amin'ny harena nomen'Andriamanitra. Tsy antsika ny vola izay tantanantsika. An'Andriamanitra izany, ary tsy afaka handroso ny asany raha tsy fenoina fanomezana sy fanatitra ny firaketany. Nampindrana fananana antsika Andriamanitra mba hahazoantsika mamerina aminy ny Azy. Ary raha manao ny andraikitsika amim-pahatokiana isika, dia hisy amby ampy mandrakariva ho an'ny ao an-trano sy ny asa misiônera any ivelany. 

    Tsy maintsy atao an-tsitrapo izay rehetra ataontsika. (...) Ny fanompoana sarobidy indrindra azontsika atolotra dia maivana ihany raha mitaha amin'ny fanomezan'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao. (...) Raisiny amim-pitiavana ireo fanomezana avy amin'ny olony ho fampandrosoana ny asany eto amin'izao tontolo izao. Toy izany no anehoantsika fa ankasitrahantsika sy ekentsika fa an'Andriamanitra tanteraka sy manontolo ny zavatra rehetra. 

    Miantso antsika Andriamanitra mba ho mpiara-miasa Aminy. (...) Natao hotorina amin'ireo izay tsy mahalala an'Andriamanitra ny fahamarinana. Natao hovakina amin'ireo izay hihaino izany ny Baiboly. Miara-miasa amin'ireo izay manokatra ny Soratra Masina amin'ny hafa ny Fanahy Masina. (...) Mamafy ny voa izy, kanefa tsy fantany izay ho vanona, na ity na iry: fa Andriamanitra no mampitombo izany. Mitaona, mitarika ary mandinika ny fo lzy. 

    Tsy maintsy atao ao an-tokantrano sy eny amin'ny faritra manodidina ny asa. Mila ny vola izay nankinin'Andriamanitra tamintsika izany asa izany. Ireo izay niova fo marina dia manana adidy hanao ny asa izay mitaky vola sy fanoloran-tena. (...) Tsy mampahantra ny olona ny famerenana amin'Andriamanitra ny fanomezana izay nankininy tamintsika; ny fihazonana azy ireny no mitarika fahantrana, satria ny tanjona tokana sy ambony indrindra natao hampiasana ny fanomezan'Andriamanitra dia hanohanana ireo mpiasa ao anatin'ilay saha lehibe fijinjana. — Ms, 124, 1898

    Please publish modules in offcanvas position.