Ilay avy amin’Andriamaitra

    "Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina." — Rôm. 12:2. 

    Mofon'aina:

    Ohatra marina momba ny fanamasinana ny fiainan'i Jaona apostoly. Nandritra ireo taona maro nananany firaisana akaiky tamin'i Kristy dia nandray anatra fampitandremana matetika avy taminy izy, izay nekeny mandrakariva. Arakaraka ny nisehoan'ny toetran'ny Mpamonjy teo aminy, no nahatsapany kosa ny kileman'ny tenany, ka nanetry tena noho izany izy. Voasintona hankeo amin'ny Mpamonjy isan'andro isan'andro ny fony, ka nahatonga azy hanadino ny tenany noho ny fitiavany ny Tompony. Nahatalanjona azy tokoa ny nahita ny hery sy ny fahalemem-panahy, ny fiandrianana sy ny fanetren-tena, ny fahamboniam-panahy sy ny faharipo hitany isan'andro teo amin'llay Zanak'Andriamanitra. Nilaozany ny toe-tsaina mora tezitra sady be hambom-po, ka noraisiny kosa ny hery manova toetra tao amin'i Kristy sy ny fitiavana notanterahin'ny Ray tamin'ny alalany, izay nahatonga fanavaozana tanteraka tao amin'ny fiainany. 

    Endrey ny fahasamihafana nisongadina teo amin'ny fiainan'i Jaona sy ny toetra mahamenatra nananan'i Jodasy mpiara-miasa taminy! Izy ity dia nihambo ho mpianatr'i Kristy koa, kanefa tsy nanana ny endriky ny maha-mpivavaka azy akory. 

    Tsy hoe tsy nampiraika azy ny hatsaran'ny toetran'i Jesôsy, satria nanaiky mihitsy izy fa marina ny nambaran'ny Tompo rehefa nihaino Azy nitoriteny izy; kanefa tsy nekeny mihitsy ny hampietry ny fony na hiaiky ny fahotany. (...) I Jaona dia niady mafy tamin'ny fahalemeny; fa i Jodasy kosa nampangina ny feon'ny fieritreretany, ka nanaiky ho resin'ny fakam-panahy. (...) Izay rehetra milaza ny tenany ho mpanompon'i Kristy no hita sary eo amin'i Jaona sy Jodasy. (...) Samy nanana firaisana akaiky tamin'i Jesosy izy, ary samy nanana tombontsoa hihaino ny fampianarany. Samy nanana kilema lehibe izy roalahy, ary samy nahazo lalana handray ny fahasoavan'A nclriamanitra izay hanova ny fiainany; ny iray nandray tamim-panetren-tena ny fampianaran'ny Tompo, ary ny iray kosa tsy nampihatra teo amin'ny fiainany ny Tenin'Andriamanitra fa zary mpihaino fotsiny. Ny voalohany namono isan'andro ny filany sy nandresy ny fahotana, ary nanamasina ny tenany tamin'ny fahamarinana; fa ny faharoa kosa nanohitra ny hery manavaon'ny fahasoavana, fa namela ny fitiavan-tenany hanjaka, ka nanjary nandevozin'i Satana. — VM, tt. 493,494.

    Please publish modules in offcanvas position.