Miara-miasa

    "Dia avy ao aminao no hivoahan'izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay." — Mika 5:1. 

    Mofon'aina:

    Ny tantaran'ilay ady lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy hatramin'ny andro niantombohan'izany tany an-danitra ka mandra-pahatongan'ny fotoana hanafoanana tanteraka ny fikomi ana amin'ny farany sady handevonana ny fahotana, dia maneho miharihary ny fitiavana tsy manam-piovana ananan' Andriamanitra. 

    Tsy irery tsy akory Ilay Tompon'izao rehetra izao raha nanao ny asany. Nisy nanampy, Azy, dia Ilay mahay mankasitraka ny fikasany sy miombom-pifaliana Aminy eo amin'ny fahitany ny fahasambaran'ny zavaboariny. "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin 'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin 'Andriamanitra tamin'ny voalohany". Ny Teny, izany hoe Ilay Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra, dia iray ihany tamin'llay Ray Mandrakizay, na teo amin'ny toetra izany, na teo amin'ny fomba amam-panao, na teo amin'ny fikasana. lzy irery ihany no hany tokana afaka nandray anjara teo amin'ny filan-kevitr'Andriamanitra sy niady saina  taminy. Fa "ny anarany, atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, 

    Rain'ny mandrakizay, Andrian'ny fiadanana", fa "hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay". Hoy Izy raha manambara ny tenany: "Izaho no fahendrena (...) Jehôvah  nahary ahy ho fiandohan 'ny alehany, ho voalohany amin 'ny asany hatramin'ny taloha. Izaho no tendreny hatramin'ny fahagola, eny, hatramin'ny taloha. Izaho no tendreny hatramin 'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany. Raha namorona ny lanitra Izy, (...) dia mpità-marika teo anilany aho, sady ravoravo isan 'andro (...) teo anatrehany". 

    Tamin'ny alalan'ny Zanany no namoronan'Andriamanitra ny mponina rehetra any an-danitra. "Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra (...) na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany". Ireo anjely feno ny voninahitry ny fanatrehany, dia manatontosa haingana dia haingana ny sitra-pony. Fa Izy, Ilay Zanaka, Ilay voahosotr'i Jehôvah no "famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin 'ny herin 'ny teniny". - PM, t. 7.

    Please publish modules in offcanvas position.