Malemy fanahy sy tsy miavona am-po

     "Fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona."  Fil. 2:7. 

    Mofon'aina:

    Ny nahatongavany hitoetra teto amintsika dia ny haneho an'Andriamanitra tamin'ny olona sy ny anjely. Izy no Tenin'Andriamanitra - fisainan'Andriamanitra ren'ny sofina. Hoy lzy tao amin'ny vavaka nataony ho an'ny mpianany: "Efa nampahafantariko azy ny anaranao (...)" — "(...) mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana" — "(...) mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy." (...). Ity izao tontolo izao kely ity no boky fianaran'izao rehetra izao. Ny fikasan'Andriamanitra mahagaga ny amin'ny fahasoavana, ny zava-miafin'ny fitiavana manavotra no lohahevitra "(...) tian'ny anjely hodinihina", ary hianarany mandritra ny fotoana tsy manam-pahataperana. Ny voavotra sy ireo voary tsy tratry ny fahalavoana dia samy hahita "siansa" ho azy sy tonon-kira hoventesiny eo amin'ny hazo fijalian'i Kristy. Ho hita fa ny voninahitra izay mamirapiratra eo amin'ny tavan'i Jesôsy dia voninahitry ny fitiavana manao sorona ny tenany. Ho hita eo amin'ny fahazavana avy eo Kalvary fa ny lalan'ny fitiavana mahafoy tena no lalan'ny fiainana ho an'ny tany sy ny lanitra; fa ao am-pon'Andriamanitra ny loharanon'ny fitiavana "tsy mitady ny azy"; ary ao amin'ny Ray malemy fanahy sy tsy miavona am-po no miseho ny toetra amam-panahin'llay mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina.

    Tamin'ny voalohany dia naseho teo amin'ny asa rehetra vita teo amin'ny famoronana Andriamanitra. Kristy no namelatra ny lanitra, sy nametraka ny fanorenan'ny tany. (...) "Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy. "Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy (...)." Izy no nahahenika hatsaran-tarehy ny tany, sy nahafeno hirahira ny rivotra. Ary nosoratany teo amin'ny zavatra rehetra teto an-tany, eny amin'ny rivotra sy eny amin'ny lanitra ny hafatra manambara ny fitiavan'ny Ray. (...)

    Ankehitriny aza dia mbola manambara ny voninahitry ny fahatsarany ny zavatra nohariny rehetra. Tsy misy afa-tsy ny fon'olombelona tia tena ihany no mivelona ho an'ny tenany. Tsy misy voromanidina manavatsava ny habakabaky ny lanitra, tsy misy biby milietsiketsika amin'ny tany izay tsy miasa ho an'ny fiainan'ny hafa. IFM, tt. 9,10. 

    Please publish modules in offcanvas position.