Mpamonjy-Mpiandry ondry

    "Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy." — Jao. 10:27.

    Mofon'aina:

    Rehefa mitarika ny ondriny ny mpiandry ondry eny amin'ny havoana sy ny vatolampy, mitety ny ala sy ny vatolampy, mitety ny tevana any an-tany lao, mba hahatongavana eny amin'ny toerana be ahitra amoron'ny rano; rehefa miandry azy eny an-tendrombobitra izy mandritra ny ora mangina, miaro azy amin'ny mpangalatra, mikarakara amim-pitiavana ny marary sy ny osa, amin'izay dia manjary iray aina aminy izy. Misy fatorana mafy sy mamy mampiray azy amin'ireo karakarainy ireo. Na dia betsaka aza ny ondry, dia fantatry ny mpiandry, ny ondry tsirairay. Samy manana ny anarany avy izy, ka mamaly rehefa antsoin'ny mpiandry amin'ny anarany.

    Tahaka ny ahafantaran'ny mpiandry ondry ny ondriny, no ahafantaran'llay Andriamanitra mpiandry ondry koa ny ondry izay miparitaka manerana an'izao tontolo izao. "Ary ny aminareo ondriko, ondry fiandriko, olona hianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehôvah Tompo." Hoy i Jesôsy: "Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao." "Efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako hianao." (...) 

    Ny fanahy tsirairay dia fantatr'i Jesôsy amin'ny fomba feno tahaka ny tsy misy afa-tsy iny ihany no nahafatesan'ny Mpamonjy. Manohina ny fony ny fahorian'ny tsirairay. (...) Mibaiko azy Izy hoe: "Manaraha Ahy" ary miasa amin'ny fony ny Fanahiny mba hitarika azy ho eo Aminy. Betsaka no manda ny hotarihiny, fantatr'i Jesôsy izy ireo. Fantany koa izay mihaino ny antsony amim-pifaliana, ary vonona ny ho eo ambanin'ny fikarakarany amin'ny maha-mpiandry ondry Azy. (...), "izay ondriny tokoa dia antsoiny amin'ny anarany ka entiny mivoaka." (...) Fantatry ny ondry ny feony, ka mankatòny antsony izy. Toy izany koa no ataon'Ilay Mpamonjy Mpiandry ondry amin'ny ondriny. Hoy ny Soratra Masina: "Ny tanan'i Mosesy sy Arona ny nitondranao ny olonao toy ny ondry." Hoy ny nambaran'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny mpaminany: "Tany lavitra any no nisehoan'i Jehôvah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; koa izany no nampaharetako ny famindrampo ho anao." Tsy misy tereny hanaraka Azy. "Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana." — IFM, tt. 516-518. 

    Please publish modules in offcanvas position.