Kapitenin’ny famonjena antsika

    "Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy." - Deo. 31:6. 

    Nanehoana fahitana misy tafika roa tao anatin'ny fifanandrinana mahatsiravina aho. Notarihin'ny faneva misy ny sarin'izao tontolo izao ny tafika anankiray; ny iray kosa teo ambanin'ny faneva misy ny ran'i Imanoela Andriana. Faneva marobe no nilatsaka teo amin'ny vovoka rehefa lasa niandany tamin'ny tafiky ny fahavalo ireo miaramila tao amin'ny laharan'ny Tompo, ary koa andian'olona maro no niala tamin'ny laharan'ny fahavalo ka nikambana amin'ireo vahoakan'Andriamanitra izay mitandrina ny didy. Anjely iray nanidina teo afovoan'ny lanitra no nanolotra ho an'ny olona maro ny fanevan'i Imanoela, ary niaraka tamin'izay dia nisy kapiteny mahery nihiaka mafy hoe: "Midira amin'ny laharana. Aoka ireo izay mahatoky amin'ny didin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Kristy handray ny toerany ankehitriny. Mivoaha eo amin' izy ireo ka misaraha aminy, aza manendry izay zavatra tsy madio dia handray anareo Aho ary ho Rainareo, ary ianareo dia ho zanakolahy sy zanakovavy. Aoka hanampy an' i Jehôvah hamely ny mahery ireo rehetra maniry hanao izany." 

    Nangotraka ny ady. Nifandimby nandresy ireo antoko roa. Nihemotra "tahaka ny fahatoranan'ny mpitondra faneva" izao ireo miaramilan'ny hazo fijaliana (Isa. 10:18). Saingy izay hita ho toy ny fihemoran'izy ireo dia natao mba hahazoany toerana tsara kokoa ho amin'ny fandresena. Hiakam-pifaliana no re. Hira fiderana an'Andriamanitra no nasandratra ary niara-niredona ny hira ny feon'ireo anjely rehefa nametraka ny Fanevan'i Kristy teo amin'ny mandan'ny tanàna izay nohazonin'ny fahavalo hatrizay ireo miaramilany. Ny Kapitenin'ny famonjena antsika no nitarika ny ady ary nanohana ireo miaramilany. Naseho tamin-kery lehibe ny fahefany ka nandrisika ireo miaramila hanosika ny ady hatreo am-bavahady. (...)

    Azo ny fandresena nony farany. Nandresy tamim-boninahitra ilay tafika teo ambanin'ny faneva nahitana soratra hoe: "Ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy." Nanakaiky ny vavahadin'ny tanàna ireo miaramilan'i Kristy, ary tamim-pifaliana no nandraisan'ilay tanàna ny Mpanjakany. Naorina ilay fanjakan' ny fiadanana sy ny fifaliana ary ny fahamarinana mandrakizay. - TFC, b. 8, U. 41, 42

    Please publish modules in offcanvas position.