"Mandehana ho eny amin'ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko." - Lio. 14:23.
Mofon'aina:
Ireo izay mamaly ny antso atao ankehitriny ka miditra ao amin'ny fanompoana Ilay Tompon'ny asa dia tokony hianatra tsara ny fomba fiasany. Nandritra ny asany teto an-tany dia hain'ny Mpamonjy ny nanararaotra ireo hirika izay niseho teny amin'ireo lalam-pifamoivoizana lehibe. Tao Kapernaomy no fijanonan'i Jesôsy nanelanelana ireo dia nifamezivezy nataony, hany ka nanjary nantsoina hoe "tanànany" io tanàna io. Tena toerana afovoany tokoa ho an'ny asan'ny Mpamonjy io tanàna io. Mandalo eo ny lalambe avy any Damaskôsy mankany Jerosalema sy Egipta ary ny ranomasina Mediteranea, tena lalam-pifamoivoizana lehibe no teo. Vahoaka avy tamin'ny tany samihafa no nandalo teo amin'io tanàna io na nitoetra tao hiala sasatra anelanelan'ny fotoana fandehanany. Teo dia azon'i Jesôsy natao ny nihaona tamin'ny olona samy hafa fiteny sy sokajy (...); ary ny lesona nomeny dia tokony hoentina any amin'ny firenan-kafa maro sy any amin'ireo tokantrano maro. (...)
Lehibe kokoa noho ny tamin'ny andron'ny Isiraely ny hirika hifandraisana amin'ny lehilahy sy vehivavy amin'ny saranga rehetra sy ny fiaviana rehetra amin'izao andron'ny fifamezivezena ankehitriny izao. (...) Nanomana lalana tamin'ny fomba mahatalanjona Andriamanitra. Azontsika ampiasaina ny fanontam-pirinty sy ireo fitaovana marobe ao aminy. Eo am-pelatanantsika ny Baiboly sy ny pejy voasoratra amin'ny fiteny samihafa, izay mitory ny fahamarinana ho an' izao vanim-potoana izao (...).
Manana tombontsoa fanararaotra manokana ireo Kristianina monina any amin'ireo toerana lehibe isian'ny fifanakalozam-barotra sy ny fifamoivoizana. Azon'ireo mpino any amin'ireny tanàna ireny atao ny miasa ho an'Andriamanitra eo amin'ireo mpiray vodirindrina aminy.
Any amin'ireo foto-drafitr'asa ara-pahasalamana sy ireo ivon-toerana ho an'ny fizahan-tany, izay ifamezivezen'ireo olona an' arivony mikatsaka fahasalamana sy fahafinaretana, dia tokony hisy mpitandrina sy mpampiely boky manana fahaiza-manao hisarihana ny fahalianan' ireo marobe. (...) Aoka ho mailaka izy ireo amin'ny fihazonana ireo hirika hiresahana amin'ny olona. Miaraka amin'ny herin'ny Fanahy Masina (...) Tokony hozaraina amin'ny fomba mazava sy manan-kery ny Tenin'Andriamanitra mba handrenesan'ireo manan-tsofina ny fahamarinana.- TFC, b. 9, tt. 121,122