Loharanon’ny tsy fahafatesana

    "Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak 'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay hianareo." - 1 Jao. 5:13.

    Mofon'aina:

    Mitaky ny fikambanan'ny herin'olombelona amin'ny herin'Andriamanitra ny famonjem-panahy. Tsy manolo-tena hanao ny asa izay azon'ny olombelona atao mba hahatrarany ny fenitry ny fahamarinana Andriamanitra. Manana anjara asa tandrify azy ny zanak'olombelona. (...) Tsy afaka hanaisotra ny fahotan'ireo lehilahy sy vehivavy i Kristy raha tsy izy ireo mihitsy no manaiky hamoy ny fanaony feno ota. Tsy maintsy amin'ny fo no hiarahan'ny olombelona miasa amin'Andriamanitra sy hanekeny hankato ny Lalàny; amin'izany no anehoan'izy ireo fa mankasitraka ny fanomezan-dehibe izy, dia ny fahasoavana izany. Rehefa mahatsapa ny fianteherany amin'Andriamanitra sy mino an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana ny lehilahy sy vehivavy, ary miandrandra fahombiazana amin'ny fanaovana an'i Jehôvah ho eo anatrehany mandrakariva, amin'izay izy ireo vao hahatanteraka ny baiko hoe: "miasà amin'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo." - Fil. 2:12. 

    (...) Tsy misy vokany ny ezaka ataon'olombelona raha tsy eo ny herin'Andriamanitra. Tsy manana hery hitolomana amin'ny fahefan'ny fahamaizinana ny olombelona raha mandeha irery. Noho izany no nanaroman'i Kristy ny maha-Andriamanitra Azy tao amin'ny maha-olombelona sy nidinany teto an-tany mba hahafahany miara-miasa amintsika. Ireo izay handray Azy sy hitoky amin'ny Heriny mahavonjy no homeny ny fahamarinany. (...) "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak 'Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika. (...) Feno fahasoavana sy fahamarinana. (...) Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana." - Jao. 1:12,14,16.

    Aoka hotsaroan'ireo mpanompo fa tsy manana fahamendrehana hoentina eo anatrehan'Andriamanitra izy ireo. I Kristy no Loharanon'ny fiainana, ilay hany antoka ho an'ny famonjena antsika, Ilay loharanon'ny tsy fahafatesana. Izy no Tompo sy Mpanefa ny finoantsika. Tsy ho tontosa ny asa lehibe sy manan-danja hamolavolana ny toetra ho tonga lafatra raha tsy eo ny fanampiana izay efa omanin'ny lanitra mandrakariva.- Ms 49, 1909. 

    Please publish modules in offcanvas position.