IIay tovolahy galiliana

    "Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan 'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy." — Lio. 2:46. 

    Mofon'aina:

    Andro farany nampianaran'i Kristy tao amin'ny tempoly tamin'izay. Ny sain'ny vahoaka marobe izay nivory tao Jerosalema dia nifantoka taminy avokoa; nifanizina tao amin'ny kianjan'ny tempoly ny vahoaka, nanaraka ny fifanolanana izay nandroso hatrany, ary nanararaotra ny teny rehetra izay nivoaka avy amin'ny molony. Tsy mbola nanatri-maso toe-javatra toy izao mihitsy izy ireo hatramin' izao. Indro ilay tovolahy Galiliana, tsy nanana ny haja amam-boninahitra ara-nofo na ny famantarana ny maha-mpanjaka Azy. Manodidina Azy ny mpisorona miramarama, ny mpanapaka manao fitafiana sy ny famantarana manambara ny toerana ambony nisy azy, ary ny mpanora-dalàna nitondra ny horonan-taratasy teny an-tanany, izay nampiasainy matetika. Tony Jesôsy nijoro teo anatrehany, mendrika tahaka ny mpanjaka. Toy ny olona nahazo fahefana avy tamin'ny lanitra Izy nijery tsy nikoso-maso ny fahavalony, izay nitsipaka sy nanazimbazimba ny fampianarany, ary nangetaheta ny handatsaka ny ainy. Marobe izy ireo no nanohitra Azy, nefa ny tetika rehetra nataony hamelarana fandrika Aminy sy hanamelohana Azy dia tsy nisy antony. (...) Nasehony azy ireo ny fahamarinana madio sy mamirapiratra izay mifanohitra amin'ny haizina sy ny hevi-dison'ny mpisorona sy ny Fariseo. Nasehony teo anatrehan'ireo mpitarika ireo ny tena toetrany marina, sy ny famaizana tsy maintsy hanaraka raha mikikitra amin'ny fanaovan-dratsy izy. Efa natao tamim-pahatokiana ny fampitandremana. Nefa nisy asa hafa mbola tsy vitan'i Kristy; nisy fikasana hafa mbola hotanterahina.

    Efa nitombo sy nihamafy orina ny fahalianan'ny vahoaka tamin'i Kristy sy ny asany. Finaritra tamin'ny fampianarany izy nefa very hevitra be koa. Nanaja ny mpisorona sy ny raby izy noho ny fahazavan-tsainy sy ny toa fitiavam-bavaka ananany. (...) Hitany anefa ankehitriny fa niezaka ireo olona ireo hanimba ny lazan' i Jesôsy  (...). Faharesena sy henatra no hita soritra teny amin'ny endrika mangaihain'ireto mpisorona sy loholona. Nahagaga ny olona ny fandavan'ireo mpitondra tsy nino an'i Jesôsy , nefa tsotra sy mazava indrindra ny fampianarany. (...) Nitebiteby sy liana tokoa izy nanara-maso ny fihetsik'ireo izay narahiny mandrakariva ny toroheviny. — IFM, t. 651

    Please publish modules in offcanvas position.