Mpanao asa tanana mahay

     "Dia nidina tany amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary indro, nanao ny asany teo amin'ny ankodina fanaovana izy. " — Jer. 18:3. 

    Mofon'aina:

    Andriamanitra no momba azy, koa izany no mahatonga izany rehetra izany aminy. Ny fitsapana sy ny zava-misakana no fomba nofidin'i Jehôvah ho amin'ny fifehezan-tena ary ireo no fepetra notendreny hahitana fahombiazana. Ilay mamaky ny ao am-pon'ny olona dia mahalala ny toetra amam-panahiny, mihoatra noho ny fahafantarany ny tenany. Hitany fa misy manan-kery sy fahaizana izay, raha voatarika tsara, dia ho azo ampiasaina ho fampandrosoana ny asany. Noho ny fitondran'Andriamanitra dia ataony eo amin'ny toerana samihafa sy toe-javatra samihafa ireny olona ireny, mba hahitan' izy ireny ny tsy mety eo amin'ny toetra amam-panahiny izay voafina ka tsy fantany hatramin'izay. Omeny fotoana mety izy ireo hoenti-manitsy ireny toetra ratsy ireny mba hahatonga azy ho afaka hanompo Azy.(...) 

    Raha antsoina hiaritra fitsapana isika dia maneho izany fa mahita zava-tsarobidy ao amintsika izay tiany hampitomboina ny Tompo Jesôsy. Raha tsy mahita na inona na inona ao amintsika izay ahazoana manome voninahitra ny anarany Izy dia tsy handany fotoana hanamboarana antsika. 

    Tsy ny metaly tsy misy vidiny no alefany ao anaty fatana fandrendrehana. (...) Avelan'ny Tompo ho ao amin'ny fatana fandrendrehan'ny fahoriana ireo olom-boafidiny mba hahalala izay tena toe-panahiny sy ahitana izay hanamboarana azy hanao ny asany. 

    Raisin'ny mpanao vilany ny tanimanga ka volavolainy araka ny sitrapony. Afangaroharony dia amboariny - zarazarainy dia miara-potsipotseriny, lemany dia hamaininy, avy eo avelany hipetraka kely tsy kasihiny. Rehefa hitany fa azo volavolaina tsara dia tohizany ny asa hanaovany azy ho vilany. Amboariny hanana endrika izany ka dioviny sy lambolamboiny eo amin'ny kodiarana ho tsara tarehy. Hamaininy eo amin'ny masoandro dia andrahoiny ao amin'ny lafaoro. Amin'izay dia manjary vilany azo ampiasaina izany. Toy izany koa no anirian'Ilay Mpanao asa tanana mahay indrindra ny hamolavola sy hanamboatra antsika. Ary tahaka ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanao vilany, no tokony hisy antsika eo an-tanany. (...) Ny anjarantsika dia ny mampilefitra ny tenantsika hovolavolain'Ilay Mpanao asa tanana mahay. — TMF, tt. 313,314. 

    Please publish modules in offcanvas position.