"Ny amin'ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin'ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao Aminy; marina sy mahitsy Izy." - Deo. 32:4.
Mofon'aina:
Rehefa nentina tamin'ny fahitana ara-paminaniana teo amin'ny fiavian'i Kristy voalohany ny mpaminany, dia naseho azy fa hizaka fisedrana sy fitsapana Izy ary tandindon'izany ny natao tamin' ilay vato fehizoro tao amin'ny tempolin' i Solomona. (...)
Tamin'ny fahendrena tsy misy fetra, no nifidianan'Andriamanitra ilay vato fehizoro, ka Izy izany no nametraka Azy. Nantsoiny ho "(...) fanorenana mafy (...)" izany. (...) I Kristy no Ilay "(...) vato voazaha toetra (...)." Izay mitoky Aminy dia tsy ho diso fanantenana mihitsy. (...) Nahazaka ny vesatry ny fahadisoan' Adama Izy, sy ny fahadisoan'ny taranany, ary nivoaka nihoatra noho ny mpandresy tamin'ny herin'ilay ratsy. Nitondra ny enta-mavesatra napetraky ny mpanota mibebaka rehetra Izy. Ao amin'i Kristy no ahitan'ny fo meloka fahatoniana. (...) Izay rehetra miankina Aminy, dia mitoetra ao amin'ny fiadanana tanteraka.
Ao amin'ny faminanian' i Isaia, dia lazaina ho sady fanorenana mafy no vato mahatafintohina koa i Kristy. Nasehon'ny apôstôly Petera ny hoe ho an'iza i Kristy no ho fanorenana mafy, ary ho an' iza Izy no ho vatolampy mahasolafaka, raha nanoratra teo ambanin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina izy. "Raha tàhiny nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo, Izay hatoninareo toy ny vato velona, nolavin 'ny olona, fa voafidin 'Andriamanitra sady soa, ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana marina, hanatitra fanati-panahy, sitrak'Andriamanitra amin 'ny alalan Jesôsy Kristy. Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe: Indro, nametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; ary izay mino Azy tsy ho menatra. Ka ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin 'izay tsy mino kosa ny vato izay nolavin 'ny mpanao trano no efa tonga fehizoro, ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka; ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin 'ny teny izy." - 1 Pet. 2:3-8. Ho an'izay mino, Kristy no fanorenana mafy. Ireo dia izay mianjera amin'ilay vatolampy ka torotoro. - IFM, tt. 638,639, ed 1983