Vatolampy famonjena antsika

     "Matokia an'i Jehôvah  mandrakizay, fa Jehôvah Tompo no Vatolampy mandrakizay." - Isa. 26:4. 

    Mofon'aina:

    Hiasa mahery ao amin'ireo mpanompo nofidiny indray Andriamanitra mba hahatonga fitsarana lehibe eo amin'ny tafik'i Satana. Ny olona ekeny hanatanteraka ny asany dia tsy maintsy ho olon'ny fitsipika, be herim-po, hentitra, ary marina. Tsy azo omen-danja ny fombafomba sy ny lovantsofina ary ny foto-pampianarana, na dia avy amin'ireo izay heverina ho olona ambony sy tsara aza, raha tsy entina hosedraina eo amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona aloha (Isa. 8:20). Tsy nanaiky hilefitra tamin'izany fizahan-toetra izany ireo papa sy relijiozy satria fantany fa ho rava hatreo ny fahefany raha manao izany izy. Ho fiarovana izany fahamarinana lehibe izany no nitoloman'i Lotera tamin'ny fomba hentitra sy feno fahasahiana. Manakoako ho an' izay rehetra mpiaro ny fahamarinana mandalo fitsapana sy fakam-panahy ny teniny — mijoroa tsara. "Fa Jehôvah  Tompo no Vatolampy mandrakizay." — Isa. 26:4.

    Teo anivon'ny rivo-dozan'ny fanoherana sy ny fahatezerana ary ny fankahalana izay nila hanafotra azy, dia nahita fialofana tao amin'i Kristy ilay mpanavao fivavahana. Tao amin'i Kristy irery ihany no nahitany fiadanana sy hery ary fiarovana. Izany koa no ho fanandraman'ny Kristianina tsirairay. Eo anivon'ireo fiovaovana sy korontana eo amin'izao tontolo izao dia mitoetra mafy ilay Vatolampy famonjena antsika. Efa notafihin'ny tafiky ny tany sy ny helo mitambatra izany. Nandritra ny taonjato maro no efa nanaovan'ireo mahira-tsaina drafitra sy niezahan'ireo be sandry hanongotra io vato fehizoro io, mba hametrahany fototra hafa hanorenan'izao tontolo izao ny finoany. Saika nahomby tamin'izany asa feno fitenenan-dratsy izany ny fahefana papaly. Kanjo natsangan'Andriamanitra i Lotera, mba hiantsoantso andro aman'alina eo am-panorenany ny mandan'i Ziona: "Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesôsy Kristy." — 1 Kôr. 3:11.

    Mitoetra tsy azo hozongozonina ilay vato fehizoro, Ilay Vatolampy mandrakizay. Eo anivon'ireo fisavorovoroana sy ady eo amin'izao tontolo izao dia mbola manome fitsaharana ho an' ireo izay trotraka i Kristy, sy ranon'aina ho an'ny fanahy mangetaheta. Manakoako hatramin'ny taloha ka mandraka ankehitriny ny teniny amintsika manao hoe: "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana." — Jao. 14:6. — ST, 26 Jolay 1883. 

    Please publish modules in offcanvas position.