Mpanao asa fanavotana lehibe

     "Manatitra fanavotana ho an 'ny olony Izy; efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany." — Sal. 111:9. 
    Moton'aina:

    Voaseho ao amin'ireo teny ireo fa mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo Jesôsy. Ny mpianatra Baiboly dia ampahafantarina an'i Jesôsy ho Ilay Mpahary izao tontolo izao sy Mpanapaka izany amim-pahamarinana. (...) 

    Mampitaha ny toerana misy ny anjely sy ny toerana misy an'i Kristy ny toko voalohany ao amin'ny bokin'ny Hebreo. Misy teny ambaran'Andriamanitra momba an' i Kristy, izay tsy azo ampiasaina hilazana ny anjely. Ireto farany dia "nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena" — Heb. 1:14, fa i Kristy kosa, amin'ny maha-Mpanalalana Azy, no Ilay mpanao asa fanavotana lehibe. Ny Fanahy Masina no solontenany eto amin'ity tany misy antsika ity, mba hanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fitondrana hery avy any ambony ho an'ny olombelona lavo, ka hahatonga azy ireo ho mpandresy. Izay rehetra manao fanekena amin'i Jesôsy Kristy dia tonga zanak'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fananganana anaka. Voadio sy teraka indray izy ireo noho ny herin'ny Tenin'Andriamanitra, ary ny anjely dia irahina hanao fanompoana ho azy. Atao batisa amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina izy ireo. Manolo-tena izy ho tonga mambra mavitriky ny Fiangonany eto an-tany. Tsy tokony ho voasarik'izay rehetra mety ho filana araka izao tontolo izao intsony izy ireo, fa amin'ny fiteniny sy ny fiainam-pahamasinany dia natao hanana hery velona miasa mangina ho an'Andriamanitra izy, izay vokatry ny fanamasinan'ny Fanahy Masina. 

    "Sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa" — Rôm.8:17 — toerana ambony sy mendrika re izany! Misaraka sy miavaka amin'izao tontolo izao, voaro amin'ireo fandrik'i Satana fetsy! Ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Jesôsy dia manolo-tena hijoro hanohitra ny faharatsiana amin'ny alalan'ny voady ataony amin'ny batisa. Hanao ny fomba rehetra ilay fahavalon'ny fanahy hampidirana faharatsiana ao an-tsain'izy ireo. Hezahiny atsofoka ao amin'ny fanompoan'izy ireo ny Tompo ny fomba fiasa ratsiny. Kanefa misy fiarovana ho azy ireo raha manaraka izao toromarika izao izy: "Farany, mahereza ao amin 'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. Tafio avokoa ny fiadian 'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen 'ny devoly." — Efes. 6:10,11. —ST, 14 Febroary 1906

    Please publish modules in offcanvas position.