Ilay « tena Izy » lehibe

    "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" - Jao. 1:29. 

    Mofon'aina:

    Raha hino ny teniny sy hanatanteraka izany ny mpianatr'i Kristy, dia tsy nisy siansa eo amin'ny zava-boary izay tsy ho azony takarina sy hankafizina. (...) Raha mijery ny hatsaran-tarehin'ny zava-boary isika, raha mianatra ny lesona avy amin'ny fikarakarana ny tany isika, avy amin'ny fitomboan'ny hazo, avy amin'ny zava-mahagaga rehetra eo amin'ny tany sy ny ranomasina ary ny lanitra, dia hisy fahatakarana vaovao azontsika momba ny fahamarinana. Ny zava-miafin'ny fikasan'Andriamanitra momba ny olombelona, ny halalin'ny fahendreny sy ny fitsarany araka izay ahitantsika azy amin'ny fiainan'ny olombelona andavanandro, dia trano fitehirizana sy manan-karena feno zava-tsarobidy avokoa.

    Nefa ao amin'ny teny voasoratra no aseho amin'ny fomba mazava indrindra amin'ny olona lavo, ny fahalalana an'Andriamanitra. (...)

    Ny tenin'Andriamanitra dia ahitana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Tsy tanteraka ny iray raha tsy ao ny iray. Nolazain'i Kristy fa ny fahamarinana ao amin'ny Testamenta Taloha dia mitovy lanja amin'izay voalaza ao amin'ny Testamenta Vaovao. I Kristy ihany no Mpanavotra ny olona tamin'ny fiandohan'izao tontolo izao tahaka ny ankehitriny koa. Talohan'ny nanafiany ny maha-Andriamanitra Azy tamin'ny maha-olombelona antsika ka nidinany teto amin'ny tanintsika, dia efa nambaran-dry Adama, Seta, Metosela ary Nôà ny hafatry ny filazantsara. I Abrahàma tany Kanàna ary i Lôta tany Sôdôma, dia nitondra ny hafatra, ary tao amin'ny taranaka mifandimby dia nisy mpitondra hafatra mahatoky nitory Ilay ho avy. I Kristy mihitsy no nanorina ny fombam-pivavahana jiosy. Izy no fanorenan'ny rafitry ny fanatitra natolotra teo amin'ny Jiosy, Ilay "tena izy" lehibe teo amin'ny fanompoam-pivavahany rehetra. Ny rà nalatsaka sy ny fanatitra dia natolotra mba hanondro ilay fanatitra nataon'ny Zanak'ondrin'Andriamanitra. Tanteraka tao Aminy avokoa ny fanatitra tandindona rehetra. 

    I Kristy, naseho teo amin'ireo patriarka, voambara an'ohatra tamin'ireo fanompoam-pivavahana nitondrana fanatitra, vita sary teo amin'ny lalàna, ary nasehon'ny mpaminany, Izy no haren'ny Testamenta Taloha. I Kristy teo amin'ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany, i Kristy naseho tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina, no haren'ny Testamenta Vaovao (...). - HF, tt. 119,120, ed 2004. 

    Please publish modules in offcanvas position.