Mpanasitrana ny aretina rehetra

     "Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany." — Mar. 11:24. 

    Mofon'aina:

    Fantatry ny Mpamonjy fa tsy hahita fampiononana ny amin'ny fahoriantsika isika ao amin'ny maha-olombelona, ary mangoraka antsika Izy satria mahantra loatra isika kanefa tsy mba vonona ny hanao Azy ho namana itokiana sy mpitondra ny enta-mavesatsika. Ho an'ny fanahy mahantra, trotraka ary sasatry ny miantehitra amin'olombelona kanefa ho voafitaka sy hohadinoina no ilazan'i Kristy izao: "aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy." — Isa. 27:11.

    Aoka ianao tsy hilaza ny fahorianao sy ny olanao amin' olombelona. Mankanesa eo amin'Ilay "mahay manao mihoatra" —Efes. 3:20. Fantany tsara ny fomba hanampiana anao. Aza mihodina hiala amin'Ilay Mpanavotra be fitiavana sy fangorahana ka hitodika amin'ny olombelona namana, izay mety hitondra anao ho amin'ny lalan-diso, na dia hanome anao izay heveriny fa tsara indrindra ananany aza. Ento eo amin' i Jesôsy ny olanao rehetra. Handray anao sy hampahery anao ary hampionona anao Izy. Izy no Mpanasitrana ny aretina rehetra. Maniry mafy anao ny fony be fitiavana tsy hita fetra. Tiany ho fantatrao fa azonao atao tsara ny ho afaka amin'ny fandriky ny fahavalo. (...) 

    Maro ireo miaina anatin'ny tebiteby lalina ka tsy manandrana akory ny hamamin'ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy hain' izy ireo ny hevitr' ilay teny hoe: "mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo." — Jao. 15:11. Andeha hanao araka izay tratrantsika isika ka hamela ny zavatra rehetra eo an-tanan'ny Tompo sady hiteny hoe mino ny teny fikasanao aho. Tsy haneho miharihary ny asanao va Ianao? Handre tokoa Izy ary hamaly.

    "Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo." — Mat. 21:22. Ireo teny ireo dia fanomezan-toky fa homena an' izay mitoky Aminy izay rehetra azon'Ilay Mpamonjy mahefa ny zava-drehetra omena. Amin'ny maha-mpitantana ny fahasoavan'ny lanitra, dia natao hangataka amim-pinoana isika, ary hiandry amin-toky ny famonjen'Andriamanitra. Tsy tokony hialoha Azy isika ka hiezaka amin'ny herin'ny tenantsika mba hahazo izay irintsika. Natao hangataka amin'ny anarany isika, ka hatoky tsara ny fahombiazany. —ST, 14 Febroary 1906

    Please publish modules in offcanvas position.