Mpisolo avy any an-danitra

     "Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin'ny fotoan'andro hamonjy ny ratsy fanahy." — Rôm. 5:6. 

    Mofon'aina:

    Nananan'Ilay Mpanavotra izao tontolo izao ny hery mitaona ny olona ho eo Aminy, manafaka ny tahony, mampisava ny alahelony, mitondra fanantenana sy herim-po ho azy ireo, mba hinoan'izy ireo fa vonona handray azy tokoa Andriamanitra amin'ny alalan'ny fahamendrehan'Ilay Mpisolo avy any an-danitra. Tokony ho velom-pisaorana mandrakariva isika noho ny fitiavan'Andriamanitra antsika, noho ny fananantsika Mpanalalana, Mpisolovava, Mpanelanelana mifona ho antsika eo anatrehan'ny Ray any an-danitra. Izay rehetra mety hangatahintsika mba hampitombo ny finoantsika sy ny fitokiantsika amin'Andriamanitra dia efa azontsika. Araka ny fomban-tany, rehefa misy fanomezan-toky goavana ataon'ny mpanjaka dia omeny ho takalonaina ny zanany mba hanomezana antoka ny olona fa marina tokoa ny nolazainy; ary rehefa tanteraka tokoa ilay toky nomeny dia havotana ilay zanany. Ary jereo ny halehiben'ny toky nomen'Andriamanitra, fa ho fanehoana amin'ny olombelona fa azo antoka ny tsy fiovan'ny sitrapony dia nomeny ny Zanany lahy Tokana hidina eto an-tany ka ho tonga olombelona, ho fohy ny andro iainany, ary tsy vitan'izany fa nasaina nafoiny any an-danitra ny maha-Andriamanitra Azy; antoka mandrakizay ny amin'ny fahatokian'Andriamanitra izany. Endrey ny halalina sy ny halehiben'ny fahendren'Andriamanitra sy ny fitiavany! "Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika!" - 1 Jao. 3:1. 

    Manjary isan'ny fianakavian'ny Mpanjaka isika amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy, tonga mpiray lova amin'i Jesôsy Kristy isika. Iray isika ao amin'i Kristy. Rehefa misaintsaina ny Kalvary isika ka mahita Ilay Mpanjaka nijaly, niharan'ny ozon'ny lalàna tao amin'ny maha-olombelona Azy noho ny amintsika, dia rava hatreo ny fanavakavahana araka ny fiaviam-pirenena sy ara-pivavahana, foana hatreo ny fizahan-tavan'olona ara-pirazanana sy ara-tsaranga. (...) Manjary ankohonana iray ihany ny olombelona rehetra isan-tsokajiny, samy zanak'Ilay Mpanjakan'ny lanitra, tsy amin'ny alalan'ny fahefana eto an-tany fa amin'ny alalan'ny fitiavan'Andriamanitra izay nanolotra an'i Jesôsy ho amin'ny fiainam-pahantrana, fahoriana, fahafaham-baraka, fahafatesana mahamenatra sy fijaliana, mba hahatonga ny maro ho zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra. — S1M, b. 1, t. 258. 

    Please publish modules in offcanvas position.