"Izaho Jehôvah no mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany." — Jer. 17:10.
Mofon'aina:
Very hevitra, tena sahiran-tsaina mafy aho mahita fa vitsy monja amin'ireo marobe mitonona ho tia an'Andriamanitra no tena tia Azy marina. Ny fankatoavantsika ny didin'Andriamanitra no manamarina fa zanak'Andriamanitra tokoa isika. Mora mitebiteby isika mahita ny fizotry ny toe-javatra eto amin'izao tontolo izao. Miady amin'ny taranak'olombelona ny hery sy ny fahefan'ny maizina, manao izay tsy hisian'ny fahafahana ara-pivavahana, manery ny olona hanompo sy hiankohoka amin'ny sabata sampy. Fantatr'Andriamanitra avokoa izay ho vokatr' izany rehetra izany. Faly tokoa aho noho ny fahafantaran' Andriamanitra ny zava-tsarotra tsirairay tsy maintsy holalovantsika. Satria mino azy isika ary fantatsika fa Andriamanitra Izy, dia fantatsika koa fa mahita lavitra mihoatra noho izay mety ho takatry ny fijerintsika voafetra Izy. Ny idealiny dia ambony lavitra noho izay mety ho takatry ny saintsika. Hainy avokoa ny mamaky ny fikasan'ny fo rehetra izay mikomy hanohitra an'Andriamanitra sy miray hina amin'ny anjelin'ny ratsy mba handringana ny olo-marina. Hiara-miasa amin'ny herin'ny anjely ratsy rehetra ny olona ratsy fanahy na lahy na vavy mba hanafoana ny fahamarinana sy ny fahafahana hino ny fahamarinana. Tsy ho resy isika amin'izao asantsika izao, tsy ho kivy isika. Miharihary eo anatrehan'Ilay Mpandinika ny fo ny zava-drehetra. Hitany ny fiezahana hitaona ny ankizy iray ho amin'ny lalan-diso. Ilay Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, dia tsy hitazam-potsiny ny olona izay manohitra ny sitrapony amin'ny fandotoana sy fanimbana ny sain'ny olombelona. Tsy azontsika hadinoina fa mahalala Andriamanitra, mahatakatra Izy.
Banjino mandrakariva ilay fenitra ambony. Olom-boafidin' Andriamanitra isika, manatanteraka ny drafiny, manao ny sitrapony. Eo ambany fifehezan' Andriamanitra ny "izaho". Tsy maintsy mibanjina an'i Jesôsy isika, matoky Azy; aoka tsy handiso fanantenana Azy isika ny amin'izay mba andrandrainy amintsika. (...) Ary ny lesona tsy maintsy ianarantsika isan'andro dia ny ho malemy fanahy sy tsy miavona am-po. (...) Anaka miafena eo an-tsefaky ny harambato, izay tsy hahitana anao fa hahitanao sy hahenoanao kosa ny fanambarana ny toetran'Andriamanitra. — L 141, 1896.