Voaro amin’ny tafio-drivotra

    "Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako." — Sal. 91:2. 

    Mofon'aina:

    Miankohoka amim-panajana masina eo anatrehan' Andriamanitra ireo anjely, kerobima, sy serafima. "Alinalina sy arivoarivo" ny isan'ireo anjely manodidina ny seza fiandrianana, izay irahina hanao fanompoana ho an'ireo izay handova famonjena. Fahamarinana sy famindram-po no fitsipika mifehy ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Maniry handray fahazavana avy any an-danitra ve ianao? Mankanesa eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana. (...) Nanao fanekena ny Ray sy Zanaka fa hamonjy izao tontolo izao amin'ny alalan'i Kristy. (...) Ny avana eo ambonin'ny seza fiandrianana no famantarana fa manolo-tena hamonjy izay rehetra mino Azy Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy. (...) Koa nahoana isika no tsy mino sy be fanahiana toy izao? (...) Isaky ny mankeo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra isika mangataka ny famindrampony, dia afaka miandrandra, mibanjina ny avan'ny teny fikasana, ary mahazo matoky fa hovaliana tokoa ny vavatsika. 

    Saingy aoka tsy hisy hirehareha ho afaka mandika ny didy kanefa mahazo ny fankasitrahan'Andriamanitra ihany. Mifampitantana ny fahamarinana sy ny famindrampo ao amin'ny fanjakan' Andriamanitra. (...) Ao amin'i Kristy no mihaona ny famindrampo sy ny fahamarinana, ary mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. I Kristy mihitsy no nanome ny lalàna teo an-tendrombohitra Sinay, ary tsy nampihen-danja na tendron-tsoratra iray aza amin'ny fitakian'izany lalàna izany Izy. Nahafoy ny ainy Izy ho fanavotana ny olombelona noho ny fandikan-dalàna, ary mba hanome hery azy ireo ho afaka hankatò ny fitsipiny. (...)

    Fantatr'i Kristy ny fitsapana andalovan'ny mpanota, fantany ny fakam-panahy mahazo azy. Nandray ny maha-olombelona teo amin'ny tenany Izy; nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika Izy, ary mahavonjy ireo izay alaim-panahy. Efa nitomany Izy ary fantany ny alahelontsika; efa niainany avokoa ny fahoriantsika rehetra. Ho an'izay rehetra mino sy matoky Azy, dia fiarovana amin'ny rivotra sy fialofana ao anatin'ny tafiotra Izy. Mbola olombelona i Kristy raha niakatra ho any an-danitra. Izy no Ilay olombelona Mpisolo ny taranak'olombelona. Velona Izy ary manao fifonana ho antsika amin'ny maha-olombelona Azy. Mamboatra fitoerana ho an'izay rehetra tia azy Izy. — ST, 10 Oktôbra 1892. 

    Please publish modules in offcanvas position.