Mpanisy soa lehibe

     "Aoka hidera an'i Jehôvah ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona!" - Sal. 107:8. 

    Mofon'aina:

    Raha ny Kristianina no mba mivory hiresaka ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny amin'ireo fahamarinana sarobidy momba ny fanavotana, dia hahazo hery sy famelombelomana izy. Tokony hianatra bebe kokoa isan'andro ny amin'ny Raintsika Izay any an-danitra isika, dia hahazo fahalalana vaovao ny amin'ny fahasoavany; amin'izay dia haniry indrindra hilaza ny fitiavany isika; ary raha manao izany isika, dia hihamafana sy hihamarisika ny fontsika. (...)

    Raha isika no mba mety mihevitra an' Andriamanitra isaky ny ahatsiarovantsika ny fiahiany antsika, dia tsy ho afaka an-tsaintsika Izy, sady ho faly hiresaka Azy sy hidera Azy isika. Miresaka ny zavatra momba izao fiainana izao isika, satria tia azy; ny fifaliantsika sy ny alahelontsika dia mifamatotra amin'ny azy. Nefa manana antony lehibe lavitra ny itiavantsika an' Andriamanitra isika, noho ny itiavantsika ny sakaizantsika ety an-tany; ary tokony ho zary tena fombantsika ny hanao Azy ho voalohany indrindra ao an-tsaina ka hiresaka ny hatsarany sy hilaza ny heriny. Ny fanomezan-tsoa nomeny antsika dia tsy nokasainy hamabo tanteraka ny saintsika ka tsy hananantsika fiheverana Azy mihitsy fa natao kosa hahatsiarovana Azy lalandava sy hamatorana antsika amin'ny kofehin'ny fitiavana sy ny fankasitrahana hiompana amin'Ilay Mpanisy soa. Variana loatra eto an-tany isika. Aoka isika hanandratra ny masontsika any amin'ny varavaran'ny fitoerana masina any ambony, any amin' ilay amirapiratan'ny voninahitr 'Andriamanitra, eo amin'ny tavan'i Kristy, Ilay "mahavonjy tokoa izay manatona an 'Andriamanitra amin'ny alalany." - Heb. 7:25.

    Tokony hidera an'Andriamanitra misimisy kokoa isika "noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona" - Sal. 107:8. Tsy tokony ho fangatahana sy fandraisana fotsiny no hatao amin'ny fivavahantsika. Aoka isika tsy hihevitra mandrakizay izay ilaintsika, nefa tsy hihevitra na oviana na oviana ny soa noraisintsika. Tsy mba ho be loatra na oviana na oviana ny fangatahantsika, nefa kosa ny fisaorantsika no tena kely loatra. Mandray ny famindrampon'Andriamanitra lalandava isika, nefa kely loatra ny fankasitrahana ataontsika, kely foana ny fiderantsika Azy noho izay nataony amintsika. - DHK, tt. 117, 118, ed 2018

    Please publish modules in offcanvas position.