Hodinihina mandritra ny herinandro: Kol. 1:20-29; Efes. 5:27; Efes. 3:17; Rom. 8:18; Efes. 1:7-10; Efes. 3:3-6; Ohab. 14:12.
Tsianjery: "Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika." -2 Kor. 5:21.
Nanohy ilay lohahevitra momba ny fampihavanana i Paoly, izay nohamafisiny fatratra tao amin'ny Kôl. 1:20 (jereo ny lesona 8, izay mahafaoka izao rehetra izao; aorian'izany kosa dia ny lafiny mahakasika ny isam-batan'olona no resahiny. Tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana, dia tanterany ny fampihavanana ny tsirairay sy ny zavatra rehetra amin'Andriamanitra, indrindra fa ny olombelona, izay tafasaraka tamin Andriamanitra sy ny fiainana avy Aminy noho ny fahotana, saingy ankehitriny dia afaka mihavana Aminy amin'ny alalan'ny finoana.
Voalaza ao amin'ny andininy natokana ho an'ity herinandro ity ny fampihavanana ny isam-batan'olona amin'Andriamanitra. Tahaka ny amin' ny lafiny mahafaoka izao rehetra izao, dia tanteraka amin'ny alalan'ny fahafatesan'i Kristy koa izany. Raha ny isam-batan'olona no resahina, dia manjary fahamarinana miasa isan'andro ho an'ny tsirairay ny hazo fijaliana, fa tsy marika fotsiny, ary eo am-pandrenesan'ny olona ny filazantsara sy eo am-pandraisany an'i Kristy mihitsy, Ilay fanantenana ny voninahitra, dia manova azy ny fitiavan'Andriamanitra.
Miresaka momba ny «zava-miafina, ilay voafina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro» - Kôl. 1:26 koa i Paoly. Inona izany zava-miafina izany, ary inona no takin'izany, ho an'ny isam-batan'olona sy ho an'izao rehetra izao? Ahoana no ifandraisan'io "zava-miafina" io amin'ny filazantsara izay notorin'i Paoly tamin-kafanam-po?
*Famerenana ny lesona ny sabata 28 Febroary.