Vakio ny Ohab. 1:8-19. Inona ireo fomba anankiroa izay mifanohitra hita ao amin'ireo andininy ireo mikasika ny "fanabeazana"? Inona no hafatra fototra eto, tsy ho an'ny ray aman-dreny ihany fa ho an'izay rehetra matahotra ny Tompo koa?
Voalohany indrindra, ny fanabeazana dia avy ao amin'ny ankohonana mihitsy, ary ny tena fanabeazana marina dia miainga voalohany ary miainga indrindra indrindra avy amin'ny ray aman-dreny. Antsoina hoe "fampianarana" sy "lalàna" mihitsy aza ny fanabeazana eo amin'ireo andininy ireo. Ny teny hebreo izay nadika hoe lalàna "torah", izay midika hoe "fitarihan-dalàna". ny ray aman-dreny dia natao hitarika ny zanany ho amin'ny lala-marina. Mifanohitra amin'izany kosa, tsy voafaritra na nomena anarana ilay karazana "fanabeazana" anakiray. Izany dia fantatra fotsiny amin'ny hoe feon'ny mapnota, izay mitarika ho amin'ny lalan-diso.
Ankoatra izany, ny teny hoe "anaka" dia mahafaoka ny zanaka, na lahy na vavy, sady miverimberina im-betsaka ka manamafy ny fampianarana omen'ny ray aman-dreny. Fantatra mazava ny voatonona tsirairay ary mirotsaka an-tsehatra manokana ireo ray aman-dreny, fa ilay ankolafy anankiray kosa dia hoe: "mpanota", amin'ny filazana manondro hamaroana ("pluriel") tsy fantatra anarana.
"Noho ny fahendreny dia nambaran'ny Tompo fa ny ankohonana no tokony ho ivon-toeram-panabeazana lehibe indrindra. Ao an-tokantrano no tokony hiantomboan'ny fanabeazana ny zaza. Io no sekoliny voalohany indrindra. Ao no natao hianarany ireo lesona izay ho mpitari-dalana azy mandritra ny fiainana, ka ny ray aman-dreny no mpampianatra amin'izany (...) ny hery miasa mangina ao an-tokantrano eo amin'ny lafin'ny fanabeazana dia hery lehibe tsy azo lavina na ho amin'ny soa na ho amin'ny ratsy... Raha tsy ao no ahazoan'ny zaza fanabeazana avy hatrany, dia i Satana no hanabe azy amin'ny alalan'ny fomba rehetra izay fidiny". - AH, t. 182.
Ny tohan-kevitra tsara indrindra ho an'ny fanabeazana ao an-tokantrano dia ny vokatra asehony. Ireo no hatsaran-toetra ao anatiny, izay tahaka ny ravaka eny an-doha sy eo amin'ny vozona. Teo amin'ny kolontsaina any amin'ny faritra afovoany antsinanana ("Moyen-Orient"), dia navelan'ny ray aman-dreny ho an'ny zanany ho lova manana tombam-bidy lehibe tokoa ny rojo sy ny haban-tanana lafo vidy. Ny fanabeazana anefa dia mbola manan-danja lavitra noho ny harena ara-nofo. Ny fototra lanintsika miaraka main'ny zanatsika, dia tena hitondra soa be lavitra ho azy ireo noho ny fotoana lanintsika ho amin'ny asa aman-draharahantsika. Ankoatra izany, ny filazana ny amin'ny vozona sy ny loha, izay mahakasika ny tarehin'ny olona iray, dia midika fa ny fanabeazana no hamolavola ny toetra maha-izy azy. Eo amin'ny alalan'ny adala na ny mpanota indray, dia ny tongotra ihany (Ohab. 1:15) no voalaza, toy ny hoe verin'ilay zanaka nania ny maha-izy azy.
Ahoana no fomba hianarantsika manohitra ny fakam-panahy izay alefan'ny kolontsaina sy ny fiaraha-monina ary ny namana, eny, fa na dia fianankaviana aza, eny amin'ny lalantsika?