Lesona 1: Fa nisy inona?

    Hodinihana mandritry ny herinandro : Sal. 100.3 ; Asa. 17.26 ; Gen 2.7, 18-25 ; Gen 1.28,29 ; Gen 3.15.

    Tsianjery : "Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy." Gen. 1: 26,27.

    Ny fitantaran'ny Baiboly mikasika ny namoronana ny olombelona dia feno fanantenana sy fahasambarana ary fahatanterahana. Ny andro tsirairay tamin'ny Famoronana dia nifarana tamin'ny filazan'Andriamanitra hoe: "tsara izany". Azo antoka fa tsy tao anatin'izany ny rivo-doza, ny horohoron-tany ary ny mosary mbamin'ny aretina.

    Fa nisy inona ary?

    Ny andro fahenina tamin'ny Famoronana dia nifarana tamin'ny filazan'Andriamanitra hoe " tsara indrindra izany". Ny antony dia tamin'io no namoronan'Andriamanitra voary mitovy endrika Aminy, dia ny olombelona izany. Zavatra tsy mba nataony tamin'ny voary hafa rehetra noforoniny izany araka izay voatantara ao amin'ny Genesisy. Mazava loatra fa tanteraka tamin'ny lafiny rehetra ireo voary ireo. Natao araka ny endrik'Andriamanitra rahateo koa moa izy ireo. Araka izany dia tsy mety ho nisy mpamono olona, na mpangalatra, na mpandainga, na mpisoloky, na ratsy fanahy tao amin'izy ireo. Inona ary izany no nitranga?

    Mikasika ny Famoronana ny lesona amin'ity herinandro ity, dia ny zavatra voalohany noharian'Andriamanitra, avy eo dia ny zavatra nitranga tamin'izany famoronana tonga lafatra izany. Ary farany dia miresaka ny amin'ilay lohahevitra mandritra ny telovolana ny lesona: Inona no ataon'Andriamanitra rnba hamerenana ny zavatra rehetra amin'ny laoniny indray?'

    Indray mitopy maso: Inona no ampianarin'ny Baiboly momba ny fiandohana? Karazam-pifandraisana manao ahoana no tian'Andriamanitra ifandraisana amin'ny olombelona? Inona no zava-nokendrena tamin'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy? Inona no fanantenana nomena an'i Adama sy Eva taorian'ny fahalavoan'izy ireo?

    "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny Ianitra sy ny tany." - Gen. 1:1.

    Raha nampianatra ny momba ny fihodinan'ireo planeta manodidina ny masoandro, sy ny fihodinan'ny masoandro amin'ny ivon'ny vahin-danitra (galaxie) ny manam-pahaizana ara-tsiansa iray, dia nitsangana ny vehivavy lehibe anankiray nanao kiraro tenisy mainty ary nilaza fa ny tany dia kapila fisaka lehibe iray rnipetraka eo an-damosin'ny sokatra anankiray. Dia sady nananihany ilay mpahay siansa no nanontany izay zavatra ipetrahan'ilay sokatra, dia novalian'ilay vehivavy fa eo ambonin'ny sokatra iray hafa. "Dia inona indray izany ry madama no ipetrahan'io sokatra io?". hoy ilay mpahay siansa nanohy ny vazivaziny. Dia novaliany hoe: "Sokatra iray hafa koa ka!" Ary raha mbola tsy nahatonona ny fanontaniany manaraka akory ilay Ranamana dia nanifikifika ny rantsan-tanany ilay vehivavy lehibe sady nitsetsoka hoe: "Aza mandany aina amin'izany ianao ry anaka fa sokatra daholo hatrany ambany rehetra any!"

    Na dia mahatsikaiky aza io tantara io dia zava-dehibe indrindra mikasika ny fisian'ny olombelona no resahiny - dia ny toetr'izao rehetra izao mihitsy. Inona loatra ity tontolo ity, fa eto no misy antsika kanefa tsy safidintsika akory izany? Nahoana isika no eto? Tamin'ny fomba ahoana no nahatongavantsika teto? Aiza no hiafarantsika?

    Ireo no fanontaniana fototra sy manan-danja indrindra azon'ny olona apetraka, satria ny fahafantarantsika ny momba antsika sy ny fomba nahatongavantsika ety dia hisy fiantraikany amin'ny fahafantarantsika izay fomba iainantsika sy izay ataontsika raha mbola ety.

    Jereo ireto andininy manaraka ireto: Gen. 1:1; Sal. 100:3; Isa. 40:28; Asa 17:26; Efes. 3:9; Heb. 1:2, 10. Ahoana no fomba hamalian'ity ireo tsirairay avy ny sasany amin'iretsy fanontaniana etsy ambany iretsy? Inona no zavafra (tokana) iraisan'izy ireo?

    Ny zavatra mahaliana mikasika ny Gen. 1:1 (na ireo andininy hafa koa aza) dia tsy miezaka akory ny Tompo hanaporofo fa Izy no Mpahary. Tsy misy hevitra tsara lahatra nentiny hanazavana. izany. Ambara amin'ny fomba tsotra sy mazava fotsiny izany, tsy misy fiezahana hanamarina na hanazava na hanaporofo. Na isika, manaiky izany amim-pinoana, na tsia. Ny finoana mantsy no hany fomba ahazoantsika manaiky izany. Tsotra ny antony: tsy misy amintsika na iray aza efa teto ka nahita maso ny fizotry ny Famoronana. Tsy rnitombina tokoa rnantsy ny hoe: efa teo isika tamin'ny andro namoronana antsika. Na dia ny olona araka izao tontolo izao aza, na inona na Inona hevitra maharesy lahatra azy momba ny fiandohana, dia tsy maintsy amin'ny finoana no andraisany izany, tahaka antsika ihany, amin'ny rnaha-mpandala ny fisian'ny Famoronana antsika, satria tsy misy amintsika nanatrika io fisehoan-javatra io.

    Na eo aza izany, na dia mangataka antsika hino Azy ho Mpamorona aza Andriamanitra, dia tsy mangataka antsika hino Izy raha tsy misy antony tsara tokony hinoana. Raha tsapantsika fa misy fatram-pinoana takiana saika amin'ny zavatra rehetra inoantsika, soraty ireo antony mampitombina ny finoantsika fa nisy namorona isika matoa nisy tokoa, fa tsy kisendrasendra tsy akory.

    Milaza ny Baiboly fa noforonin'Andriamanitra ny olombelona, lahy sy vavy, araka ny endriny (Gen. 1:27). Mifotora, amin'io hevitra io ka valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
    1. Inona no hevitr'izany hoe noforonin'Andriamanitra araka ny endriny izany isika. Amin'ny lafiny Inona no maha- "araka ny endriny" antsika?

    2. Arakany fitantarattny Genesisy, moa ve Andriamanitra namorona zavatra hafa "araka ny endriny" ankoatra ny olombelona? Raha tsia, dia inoha no asehon'izany mikasika ny toerana tsy manam-paharoa misy antsika, raha mitaha amin'ny voary sisa rehetra eto an-tany? Inona ireo lesona azontsika tsoahina avy aminizany fampitahana izany?

    3. Inona ihany koa no zavatra hita ao anatin'ny fitantarana ny Famoronana ny olombelona ka mametraka azy (ny olombelona) amin'ny toerana manokana tsy itoviany amin'ny voary hafa rehetra noforonin'ny Tompo? Jereo Gen. 2:7,18-25.

    Na tsy maintsy amin'ny fitenin'olombelona aza no iresahantsika ny momba an'Andriarnanitra, dia tsy azontsika hadinoina fa Izy dia Fanahy (Jao. 4:24), my manana ireo toetra mampiavaka ny maha-Andriamanitra. Ny hany azontsika lazaina dia ity: ahitana taratra ilay Andriamanitra Mpamorona antsika eo amin'ny toetrantsika ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy, na dia marobe aza ireo zavatra mitoetra ho zava-miafina amintsika mikasika ny momba Azy. Manantitrantitra ny lafiny ara-panahy sy ara-tsaina ao amintsika koa anefa ny Baiboly, izay azontsika ampivelarina sy hatsaraina. Io toetra tsy manam-paharoa ananan'ny sain'ny olombelona io no ahafahany mikolokolo fifandraisana velona amin'Andriarnanitra, dia zavatra tsy hain'ny voary hafa eto an-tany atao.

    Mariho ihany koa ny fitantarana manokana ny namoronan'Andriamanitra ny vehivavy. Na ny lehilahy na ny vehivavy dia sarny manana flay tombontsoa lehibe amin'ny fitondrana ny endrik'Andriamanitra. Tamin'ny namoronana azy ireo dia tsy nahitana taratra ny hoe ambany kokoa noho ny iray ny iray. Andriamanitra mihitsy no nahary azy ireo tamin'ny alalan'ny akora tokana. Nataony nitovy izy ireo tany am-piandohana, sarny nataony hanana fifandraisana manokana Aminy. Samy nanana fahafahana mampivelatra ny toetra nomen'Andriamanitra azy avy izy roa amin'ny fomba izay hanome voninahitra an'Andriamanitra.

    "Koa dia nomen'Andriamanitra vady izy (i Adama). Nanaovany vady mpanampy sy tandrify azy izy, izany hoe, vady hiara-mitoetra aminy, hiombom-pifaliana aminy, ho iray fitiavana aminy. Mba ho porofo fa tsy ho mpanapaka azy ny vadiny, na hataony ho ambany fanitsakitsaka, fa hifampitantana aminy toy ny namana mitovy aminy kosa, hotiaviny sy harovany, dia teo amin'ny taolan-tehezana no nanalan'Andriamanitra hanaovana an'i Eva." - PM, tt. 20,21 (Nasiam-panitsiana).

    Mariho ireo teny voalohany indrindra nataon'Andriamanitra tamin'ny olombelona, na farafaharatsiny araka izay fisehony voalohany ao amin'ny Soratra Masina. Nampahafantarin'Andriamanitra azy ireo ny fahafahany mamorona, miteraka olona tahaka azy ireo ihany. Nasehony azy koa ny tany, ny voary, ary nasaina nameno, nampanompo, sy nanjaka taminy izy ireo. Natorony azy ireo koa ireo zava-maniry azon'izy ireo ihinanana. Raha fintinina izany ny voalazan'ny Baiboly dia mikasika ny fifandraisan'izy ireo amin'ny tontolo misy azy sy ny fampiasany izany no teny voalohany nataon'Andriarnanitra ho an'ny lehilahy sy ny vehivavy.

    Inona no ambaran'ny Gen. 1:28,29 antsika mikasika ny fomba fijerin'Andriamanitra ny tontolo hita maso sy azo-tsapain-tanana? Mampiseho ve ireo andininy ireo fa misy ratsy ao amin'ny zavatra ara-materialy na ny fisitrahantsika izany? Inona no lesona azontsika raisina avy amin'ireo toe-javatra voalohany teo amin'ny tantaran'ny taranak'olombelona ireo, mikasika ny tokony ho fifandraisantslka amin'ny voary?

    Amin'ireo teny ireo ihany koa Andriamanitra dia manao dingana voalohany amin'ny fifandraisana amin'ny olombelona. Miresaka amin'izy ireo lzy; manome toromarika azy, milaza aminy ny tokony hataony. Misy andraikitra ihany koa ao ambadik'ireo teny ireo. Nasain'Andriamanitra nifehy io voary mahatalanjona noforonin'ny Tenany io izy ireo.

    Milaza ny Gen. 1:28 fa nitso-drano an'i Adama sy Eva Andriamanitra. Inona no hevitr'izany? Karazam-pifandraisana inona eo amin'izy ireo sy ny Mpahary azy no asehon'izany?

    Ny firesak'Andriamanitra tamin'i Adama sy Eva dia toy ny amin'ny voary manan-tsaina izay afaka hanisy setriny ny hatsaram-panahiny sy afaka hifandray am-po Aminy. I Adama sy Eva koa, amin'ny maha-voary zanaka azy ireo, dia niankina tamin'ny fitahiana sy ny fiahian'Ilay Rainy Mpahary azy. Tsy nisy na inona na inona naha-mendrika azy ireo hahazo izay nomen'ny Mpahary azy. Nandray maimaimpoana zavatra izay tsy nisasarany izy ireo.

    Rehefa mamaky ny momba ny famoronana ny lehilahy sy ny vehivavy talohan'ny nisian'ny fahotana isika, dia mahita santionany amin'ilay karazam-pifandraisana tian'Andriamanitra ifandraisana amintsika ankehitriny, dia amin'izao fotoana efa isian'ny fahotana izao. Avereno jerena ity lesona androany ity, inona ireo hevitra mifanindran-dalana ao ka afaka hanampy antsika hahatakatra ny fomba mety ifandraisantsika Aminy, na dia amin'izao fahalavoana misy antsika izao aza?

    "Ary Jehôvah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany: fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana: fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao." - Gen. 2:16,17.

    Io fizahan-toetra an'i Adama sy Eva io dia nahafahan'izy ireo nampiseho ny sitrapony. Naha-voatery azy ireo hanapa-kevitra koa izany, amin'ny fanekeny hanaraka na tsia ny toromarika avy amin'ny Mpahary, izay hahatsara na tsia ny fifandraisany Aminy. Izany koa dia maneho fa nataon'Andriamanitra manan-tsafidy sy manan-tsaina izy ireo. Raha nataon'ny Tompo tsy nahay nandika lalàna rahateo izy ireo, inona moa no mbola nilan'Andriamanitra nampitandrina azy ireo voalohany indrindra ny amin'ny tsy fankatoavana?

    "Ny zavatra rehetra nialoha io toko io dia nanomana ny lalana ho amin'io zavatra fara-tampony io (Gen. 2:16,17). Mifantoka amin'io fandrarana tokana io ny hoavin'ny taranaka manontolo. Tsy natao hisahiran-tsaina ny amin'ny olana maro sosona ny olombelona. Baiko tokana ihany no natao mba hotadidiny tsara. Nampiseho ny famindrampony Andriamanitra tamin'ny namerany ny didiny ho tokana ihany. Ankoatra izay, mba hanehoany fa tsy mampahory io baiko tokana io, dia fanomezan-dalana midadasika sy mivelatra no nampiarahany taminy: "Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany."- Exposition of Genesis (Columbus, OH: Wartburg Press, 1942), H. C. Leupold, b. 1, t. 127.

    Tamin'ny niantsoany an'i Adama sy Eva hankatò ny sitrapony Andriamanitra dia nilaza hoe: Izaho no Mpahary anareo, nataoko araka ny endriko ianareo. Izaho no manohana ny ainareo, satria Izaho no ivelomanareo sy ihetsehanareo ary iainanareo. Efa nomeko anareo izay rehetra hahasoa sy hahasambatra anareo (sakafo, fonenana, namana), ary efa nampanjakaiko eta arnin'ity tontolo eo ambanireny fahefako ity ianareo. Raha sitrakareo ny hanamafy ny fifandrasana Amiko satria Ahy ianareo, dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo kosa ho zanako. Ny fankatoavanareo fotsiny io baiko manokana io dia hahafahanareo manamafy orina ny fifandraisana sy ny fifampitokiantsika.

    Farany, hisy voka-tsoa sy haharitra ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra raha toa ka manaiky an-kalalahana hanaraka ny sitrapony isika. Ny fandavana tsy hanao ny sitrapony dia finiavana tsotra izao tsy hiankina Aminy. Midika izany fa tsy mino isika fa tena mila Azy, Miafara amin'ny fahalalana ny ratsy io safidy io, ary ny ratsy dia mitarika ho amin'ny fisaraham-bazana, ny fitokana-monina, ny fahadisoam-panantenana, ary ny fahafatesana.

    Ho fizahan-toetra ny fahatokiana sy ny finoan'i Adama sy Eva ilay fitsapana nampandalovin'Andriamanitra azy ireo. Hahatoky amin'llay Mpamorona azy ve izy ireo, izay nanome azy izay rehetra nilainy niaraka tamin'ny tontolo feno fifaliana, sa handeha amin'ny làlany kosa ka tsy hanaraka ny sitrapony? Moa ampy ve ny finoany Azy ka hihazona Azy amin'ny Teniny izy ireo? Nizahan-toetra ny fahatokiany sy ny finoany ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Amin'ny fomba ahoana koa no iatrehantsika fizaha-toetra sahala amin'izany eo amin'ny fiainantsika isan'andro? Mitovy amin'io baiko ao ,"amin'ny Gen. 2:16,17" io ihany ny momba ny lalàn'Andriamanitra; amin'ny fomba ahoana?

    Mora amintsika ny mino olona efa fantatsika, ary mandeha ho azy amintsika kosa ny tsy matoky olona izay tsy fantatsika. Voajanahary teo amin'ny Eva ny tsy natoky an'i Satana. Ankoatra izay dia tokony ho nahamahina an'i Eva sy nahatonga azy hiaro tena izay rehetra mety ho fihantsiana mivantana atao amin'Andriamanitra. Koa inona ary izany ireo dingana narahin'i Satana ka nahatonga azy ho afaka nihoatra ilay fiarovana voajanahary teo amin'i Eva? (Gen. 3:1-6).

    "Na dia tena mampalahelo sy nitondra vesa-pahoriana teo amin'ny ankohonan'ny olombelona aza ny fandikana lalàna nataon'i Eva, dia tsy voatery ho nahatonga ny fiharan'ny sazy amin'ny taranak'olombelona manontolo izany. Ny safidy ninian'i Adama natao, kanefa takany tsara mihoatra noho i Eva ilay baiko nornen'Andriamanitra, no nahatonga ny fahotana sy ny fahafatesana ho tsy azon'ny taranak'olombelona nihodivirana. Voafitaka i Eva, fa i Adama kosa tsy mba voafitaka." - SDABC, b. 1, t. 231.

    Vokatr'io fandikan-dalàna miharihary sy fanaovana tsinontsinona ny didin'Andriamanitra io, dia tapaka izao ny fifandraisana teo amin'Andriamanitra sy ny olombelona. Niova ho fandosirana noho ny tahotra ny fanatrehan'Andriamanitra, ilay firaisam-po mamy Taminy teo (Gen. 3:8-10). Fihatakatahana sy fisarahana no nisolo toerana ilay fiarahana sy firaisana. Tonga ny fahotana ary nanaraka azy koa ny, vokany ratsy rehetra. Ho nizotra ho amin'ny fandringanana mandrakizay ny taranak'olombelona raha navela tamin'izao.

    Inona ireo teny feno fanantenana sy teny fikasana nolazain'Andriamanitra teo anivon'io zava-doza mampalahelo io? ( jer. Gen. 3:15).

    Ilay tenin'Andriamanitra manaitra rnilaza fanantenana ara-paminaniana dia miresaka fifandrafiana, izay voatendrin'Andriamanitra hisy eo amin'ny menarana sy ny vehivavy, eo amin'ny taranaky ny vehivavy sy ny taranany. Tonga amin'ny fara-tampony izany toe-javatra izany amin'ny fisehoana feno fandresen'Ilay Solontenan'ny taranaky ny vehivavy Izay hamely hahafaty an'i Satana eo amin'ny lohany, fa i Satana kosa tsy hahay hanorotoro afa-tsy ny ombelahin-tongotry ny Mesia ihany.

    Tao anatin'izany fahantrany tanteraka izany dia natao hanovo fanantenana avy amin'io fampanantenana ny Mesia io i Adama sy Eva; fanantenana izay hanova ny fiainany satria Andriamanitra no manome sy manohana izany. Na dia nanjavozavo aza no nanambarana io teny fikasana momba ny Mesia sy ny fandresena farany io tamin'izany andro izany, dia nampisava kosa ilay fahoriam-be nisy azy ireo noho ny fahotana.

    Vakio ny Gen, 3:9, izay ilazan'Andriamanitra amin'i Adama sy Eva hoe: "Aiza moa ianao?" Mazava loatra fa fantatr'Andriamanitra tsara ny toerana misy azy ireo. Tsy mba feno fanamelohana ny teniny fa natao hitaona ireto olona feno fahorian-tsaina noho ny fahamelohana ireto kosa mba hiverina Aminy. Raha fintinina, ny teny voalohany nataon'Andriamanitra tamin'ny olombelona lavo dia feno fanantenana sy fahasoavana ary famindrampo. Tsapantsika ve fa na ankehitriny aza dia miezaka miantso antsika ho amin'ny famindrampony sy ny fahasoavany Andriamanitra? Amin'ny fomba ahoana?

    Mirakitra antso tsy tambo isaina ho an'ny mpanota sy ny mpandika lalàna mafy hatoka ny Baiboly. Ampitahao ny Sal. 95:7,8; Isa. 55:1,2, 6,7; Lio. 15:3-7; sy ny Lio. 19:10. Inona koa ireo ohatra hafa hitanao?

    Vakio "Ny Famoronana", tt. 18-27; "Ny fakam-panahy sy ny nahalavoan'ny olona", tt. 28-40; ary ny "Drafitry ny fanavotana", tt. 41-49, ao amin'ny MM.

    "Heveriko fa misy toriteny ara-pilazantsara ao amin'ireo teny telo naloaky ny vavan'Andriamanitra ireo, izay tsy voasakan'ny kirihitra matevina fa tafapaka tao an-tsofina mangorintsin'ireto mpandositra ireto - moa ianao?' Tsy foin'Andriamanitrao ho very ianao; tonga nitady anao izy, dia tapaka ny amin'izao fotoana farany izao koa, tonga Izy tamin'ny alalan'ny Zanany, tsy hitady fotsiny ihany fa hamonjy ireo very ankehitriny koa," - The Treasury of the Bible (Grand Rapids, MI: Zondervan Publishing House, 1952) Old Testament, Charles Haddon Spurgeon, b. 1, t. 11.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

    1, Koa satria ilay Andriamanitra tsara fanahy sy mikarakara ihany no ilay mitady koa ny zanak'olombelona, ahoana no ahazoantsika mamaly izany fitiavan'ny Ray sy Jesôsy Kristy izany na izao ankehitriny izao aza? Inona no irin'ny Tompo mba hasetrintsika izany?

    2. Nofariparitan'ny Baiboly ny fahalavoan'ny olombelona avy amin'ny toerana avo namoronan'Andriamanitra azy, sy ny hany fanavotana vokatr'izany. Ampitahao amin'ny foto-kevitra ampianarin'ny fivoarana miandalana io sary asehon'ny Soratra Masina io. Iza amin'ireo roa ireo no manome fanantenana kokoa? Nahoana?

    3. Nahoana no zava-dehibe anisan'ny miantoka ny fahasambaran'ny olombelona ny fifandraisana feno fifankatiavana? Nahoana no tena ilaina ny fifandraisana tsara sy akaiky amin'Andriamanitra amin'io lafiny io? Ifanakalozy hevitra ny amin'ny akon'ny fifandraisana tsara sy milamina eo amin'ny olona ao anatin'izany fifandraisana izany (ray aman-dreny sy zanaka, mpinamana, mpivady, mpampiasa sy mpiasa, sy ny sisa).

    Famintinana: Noforonin'Andriamanitra araka ny endriny isika mba hisian'ny firaisam-po amintsika sy Izy. Na dia simba noho ny fidiran'ny fahotana aza io firaisana tany am-boalohany io, dia manao izay hamerenana amin'ny laoniny izany fifandraisana izany Andriamanitra amin'ny alalan'ny drafi-panavotana. Amin'ny maha-voary tsy mahavita tena antsika dia tsy mety hanana heviny marina sy mazava ny fiainantsika raha tsy rehefa manana firaisana amin'ilay mpahary antsika isika,

    Please publish modules in offcanvas position.