Nijanona teo amin'ny fahalavoan'ny olombelona isika tamin'ny herinandro lasa, fahalavoana izay nateraky ny fahotan'ireo ray aman-drenintsika voalohany. Ny amin'ity herinandro ity dia famintinana vetivety ny telovolana manontolo. Handray anankiray isan'andro amin'ireo fanekena voalohany mantsy isika, dia ireo izay maneho ny fahamarinana ankehitriny mikasika ilay fanekena tena izy nosoniavina teo Kalvary tamin'ny ràn'i Jesôsy, ilay fanekena ifanaovantsika amin'ny Tompontsika amin'ny maha-Kristianina antsika.
Hatombontsika amin'ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'i Noa ho famonjena azy sy ny fianakaviany tsy ho azon'ny fandringanana izany. Rehefa izay dia hojerentsika ny fanekena natao tamin'i Abrahama, fanekena manan-danja sy feno teny fikasana ho antsika rehetra; avy eo dia ny fanekena tao Sinay sy ny maha-zava-dehibe ny zavatra voalazany; ary farany dia hojerentsika ny amin'ilay fanekena vaovao, dia ilay iray izay tondroin'ireo hafa rehetra. Mbola hodinihintsika lalindalina kokoa ao anatin'ny herinandro maro manaraka ireo rehetra ireo fa topy maso kely monja no ataontsika mandritra ity herinandro ity.
Indray mitopy maso: Inona ny hevitry ny teny hoe "fanekena"? Inona avy no mandrafitra izany? Inona ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'i Noa? Inona ny fanantenana hita ao anatin'ny fanekena natao tamin'i Abrahama? Inona ny anjara asa tanan'ny finoana sy ny asa eo amin'ny fanekena? Moa ve fifanarahana fotsiny ny fanekena sa misy lafiny ara-pifandraisana ao anatiny? Inona ny zava-dehibe indrindra ao amin'ilay "fanekena vaovao"?