Ny bakteria dia zava-manana aina faran'izay madinika dia madinika ka tsy hitan'ny maso raha tsy amin'ny fitaovana fanitaram-pijery. Toy ny teboka kely iray atao amin'ny penina ny singana bakteria iray na dia efa nohalehibiazina in'arivo heny aza. Raha apetraka amin'ny toerana mahatsara ny fitomboany ny bakteria, izay misy hafanana sy hamandoana ary sakafo ho azy, dia hitombo amin'ny fomba faran'izay haingana izy. Ohatra: ny bakteria sasany dia mitombo isa amin'ny alalan'ny fivakisana mizara ho zana-tsela anankiroa toetra fotsiny ny sela iray efa matoy. Raha misy fizaran'ny sela iray isaky ny adiny iray, dia afaka mamokatra bakteria vaovao 18.000.000 ny bakteria iray ao anatin'ny 24 ora. Ao anatin'ny 48 ora izany dia an-jatony tapitrisa ny isan'ny bakteria hiseho.
Izany fisehon-javatra eo amin'ny tontolon'ny zava-manana aina madinika izany dia ohatra maneho ny fitombon'ny faharatsiana haingana dia haingana taorian'ny fahalavoana. Nomena faharanitan-tsaina goavam-be ilay taranaka mahery, nomena tanjaka lehibe ara-pahasalamana, ary lava andro niainana, ka nahafoy an'Andriamanitra sady nivaro-tena tamin'ny fanarahana izao karazam-pahotana rehetra izao. Raha ny tara-masoandro, ny fanafody simika, na ny hafanana ambony dia ambony no maharingana ny bakteria, dia ny Safodrano manerana izao rehetra izao kosa no nofidin'Andriamanitra hifehezana an'ity fikomiana mahery miitatra ity.
Indray mitopy maso: Inona no nataon'ny ota tamin'ny voarin'Andriamanitra? Inona ny sasany amin'ireo toetra nampiavaka an'i Noa? Inona avy ireo hevitra voarakitra ao anatin'ilay fanekena natao tamin'i Noa? Fomba ahoana no isehoan'ny fahasoavan'Andriarnanitra ao amin'ilay fanekena natao tamin'i Noa talohan'ny safodrano? Inona no ampianarin'ilay fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny taranak'olombelona taorian'ny Safodrano mikasika ny fitiavan'Andriamanitra antsika, izay tsy manavaka na iza na iza?