"Niaraka tamin'ny zanany vavy tany amoron-tsiraka ny raim-pianakaviana iray nandritra ny fotoam-pialantsasatra. Indray andro, raha nandeha nilomano tao an-dranomasina izy ireo, dia tafasaraka rehefa lasa lavidavitry ny morony, na dia efa samy mahay milomano tsara aza. Rehefa tsapan'ilay rainy fa voasariky ny onja ho any afovoan-dranomasina izy ireo, dia niantso ilay zanany izy: 'Maria a! Handeha hitady vonjy eny an-tanety aho, fa raha mahatsiaro vizana ianao dia mitsilanisa fotsiny. Afaka hitsingevana foana ianao na mandritra ny tontolo andro aza amin'izay. Hiverina haka anao eo aho.'
"Fotoana naharitra no nikarohan'ireo lakana sy olona maro ilay zazavavy kely teny ambonin'ny rano teny. An-jatony ny olona teny an-tanety no nandre ilay vaovao ka niandry azy tamim-pitaintainana fatratra. Adiny efatra taorian'izany vao hita izy, efa lasa lavitra tokoa, kanefa dia nitsingevana tamim-pilaminana tsara, nitsilany tsy tamin-tahotra na kely aza. Horakoraka sy ranomasom-pifaliana ary sento tokana no niarahaban'izy ireo ny mpamonjy aina tafaverina soamantsara niaraka tamin'ilay 'entana' sarobidy. Tamim-pitoniana avokoa anefa no nandraisan'ilay zaza izany rehetra izany. Toa hafahafa aza ny fahitany ny fihetsik'izy ireo. Hoy izy: Niteny tamiko i Dada hoe afaka mitsingevana mandritra ny tontolo andro aho raha mitsilany, dia ho avy haka ahy izy. Koa nilomano sy nitsilany fotsiny aho satria fantatro fa ho avy haka ahy izy."' - "When Jesus Comes Back," Voice of Prophecy News, H. M. S. Richards, Martsa 1949, t. 5.
Indray mitopy maso: Nahoana Andriamanitra no nilaza fa Izy no ampingan'i Abrahama? Ahoana no "hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany" amin'ny alalan'i Abrahama? Inona no lehibe indrindra amin'ireo teny fikasana ao anatin'ilay fanekena?