Tra-doza ny zazalahy kely iray. Anankiray amin'ireo Ny andro sy zaza fito teo amin'ny ankohonan-dray sy reniny izy, ary ny fotoana nentina tany amin'ny hôpitaly. Mahalana vao mba misy zavatra ampy ao an-tokantranon'izy ireo. Tsy mbola nahazo anjara ronono mihoatra noho ny ampahany kely amin'ny vera mihitsy izy. Raha feno tsara ny vera dia tsy maintsy ifampizaran'ny ankizy roa izany, ka izay misotro voalohany dia mitandrina tsara mba tsy hisotro tafahoatra. Rehefa nahazo toerana tsara tao amin'ny hôpitaly izy dia nitondran'ny mpitsabo mpanampy ronono iray vera be. Nilendalenda ery izy teo am-pijerena ilay izy saingy tsaroany tampoka ireo fameperana noho ny tsy fahampiana tany an-trano, koa nanontany izy hoe: "hatraiza no anjarako?" Nanganohano ny mason'ilay mpitsabo mpanampy, kendakenda izy namaly azy hoe: "Sotroy daholo anaka, sotroy daholo!" - "Free Grace," Voice of Prophecy News, H. M. S. Richards, Jona 1950, t. 4.
Tahaka io zazalahy kely io dia tombontsoa ho an'ny Isiraely fahiny, ary ho antsika koa, ny hisotro izay lanintsika amin'ny loharanon'ny famonjena. Ny fanafahana ny Isiraely avy amin'ny fahandevozana sy ny famoretana nandritra ny taonjato maro dia fanehoana mahagaga ny fahasoavan'Andriamanitra. Toy izany koa, mandray anjara betsaka amin'ny fanafahana antsika amin'ny ota ny fahasoavan'Andriamanitra.
Indray mitopy maso: Inona ireo sary an'ohatra ampiasain'ny Tompo hanazavana ny fifandraisany amin'ny Isiraely? Inona no ifandraisan'ny tantaran'ny fahafahana (Eksôdôsy) sy ny tendrombohitra Sinay amin'ny famonjena ny isam-batan'olona? Inona no anjara asan'ny lalàna ao amin'llay fanekena tao Sinay?