Inona no tonga ao an-tsainao voalohany raha mieritreritra ny hoe lalàna ? Mpitandro filaminana ve, sa tapakilam-pifamoivoizana, sa mpitsara, sa tranomaizina? Sa ve fameperana, fitsipika, ray aman-dreny mpanao didiko fe lehibe, sazy no tonga ao an-tsainao? Na, angamba mieritreritra filaminana, firindrana, na zavatra mitombina tsara ianao? Na mety ho... fitiavana mihitsy aza?
Ny teny hebreo hoe Torah, nadika hoe "lalàna" ao anatin'ny Baibolintsika, dia midika hoe "fampianarana" na "torolalana". Io teny io dia azo ampiasaina hoenti-milaza izay torolalana rehetra avy amin'Andriamanitra, na ara-pitondrantena izany na ara-panjakana, na ara-piarahamonina na ara-pivavahana. Tafiditra ao daholo ireo torohevitra hendry izay nomen'Andriamanitra tamim-pahasoavana ho an'ny olony, mba hahazoan'izy ireo mivelona amin'ny fiainana feno sy safononoka na ara-batana na ara-panahy. Tsy mahagaga ny mpanao Salamo raha nilaza fa sambatra ny olona izay "ny lalàn'i Jehôvah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina "-Sal. 1:2.
Raha mamaky ny lalàna na ny Torah isika - ireo torolalana sy fampianarana voarakitra an-tsoratra ao amin'ireo bokin'i Mosesy ireo, izay tonga ampahany amin'ny faneken'ny Isiraely-dia gaga raha mahita ny haben'ny fivelaran'izany torolalana izany. Mahakasika ny lafiny rehetra eo amin'ny fiainan'ny Isiraely izany lalàna izany- ny fambolena, ny fitondram-panjakana, ny fiarahamonina ary ny fiankohofana.
Inona araka ny hevitrao no antony nanomezan'Andriamanitra torolalana betsaka ho an'ny Isiraely toy izany? Jereo ny Deo. 10:13. Amin'ny inona no "hahasoa" azy ireo amin'izany torolalana izany?
Nomen'Andriamanitra ny olony ny lalàna mba hanehoana aminy ny fomba hiainany ny fiainam-baovao tiany hananan'izy ireo miaraka Aminy. Asehon'ny lalàna amin'ireo izay manao ny fanekena ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny fiainany. Tonga amin'ny fahatakarana ny momba an'Andriamanitra amin'ny fahafenoany ny tsirairay rehefa mankatò ny lalàna.
Nasehon'ny lalàna tamin'ny Isiraely ihany koa fa tsy azony atao ny manaraka ny fomba fiainan'ireo firenena hafa nanodidina azy. Tsy afaka nivelona araka ny lalàn'ny voary fotsiny, na ny filan'ny olombelona fotsiny, na ny faniriana fotsiny, na ny filana ara-piarahamonina, na ara-pôlitika ary ara-toe-karena fotsiny izy ireo. Ny fankatoavana tsy misy arakaraka ny sitrapon'llay Andriamanitry ny fanekena teo amin'ny lafim-piainany rehetra ihany no nampitoetra azy ho firenena masina sy fanjakam-pisorona ary rakitra soa.
Tahaka ny Isiraely fahizay, dia nahazo torolalana marobe mifandraika amin'ny lafim-piainana kristianina rehetra ny Advantista, tamin'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana miseho amin'ny fomba moderina. Nahoana no tokony horaisintsika ho fanomezana avy amin'Andriamanitra ireny fa tsy hanimba ny fahalalahana eo amin'ny fisainana sy ny asa? Miaraka amin'izay, ahoana no tokony hitandremantsika mba tsy hiheverantsika fa lalàna tsy azo ihodivirana izany fa tsy fanomezana, tahaka izay nataon'ny Isiraelita ( jereo ny Rom. 9:32).