Impiry impiry isika no efa nandre .ny teny hoe: "Sabatan'ny Jiosy" fahiny". Mazava anefa ny Soratra Masina fa efa nisy ela talohan'ny nisian'ny vahoaka jiosy aza ny Sabata. Hatrany amin'ny herinandron'ny Famoronana mihitsy no efa niandohany.
Diniho ny Gen. 2:2,3 sy ny Eks. 20:11. Ambarany mazava amin'ny fomba tsy mampisalasala fa taiza no niandohan'ny Sabata?
Na dia tsy milaza mivantana aza ny Gen. 2:2,3 fa Sabata ny "andro fahafito" (ao amin'ny Eks. 16:26,29 no ilazana azy voalohany hoe Sabata), dia hita soritra mazava kosa izany ao amin'ny hoe "dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito" - Gen. 2:2. Ny teny hoe "nitsahatra" (shabat amin'ny teny hebreo) dia iray fototeny amin'ny hoe "Sabata" (shabbat amin'ny teny Hebreo). "Tsy nampiasaina ny teny hoe Sabata (ao amin'ny Gen. 2:2,3) kanefa azo antoka fa ny hevitra tian'ny mpanoratra hampitaina dia ny hoe: notahin'Andriamanitra sy nohamasininy ho Sabata ny andro fahafito." - The Zondervan Pictorial Encyclopedia of the Bible (Grand Rapids, MI: Zondervan Publishing House, 1975), G. F. Waterman, b. 5, t. 183.
Miharihary fa ny Gen. 2:2,3 dia mampianatra ny fiandohan'ny Sabata sy ny fanorenana azy ho avy amin'Andriamanitra ka nanaovany ho fitahiana ho an'ny olombelona rehetra.
Vakio ny Mar. 2:27. Ambaran'i Jesôsy fa ny Sabata dia natao, ara-bakiteny "ho an'ny olona", ka ny olombelona rehetra no resahina amin'izany, fa tsy ny Jiosy irery ihany.
Nahoana Andriamanitra no nitsahatra koa tamin'ny andro fahafito? Nilainy ve izany? lnona ihany koa no nety ho tanjon'ny fitsaharany?
Na dia milaza aza ny mpandinika sasany fa nila fialan-tsasatra ara-batana Andriamanitra taorian'ny Famoronana, dia ny hanome môdely avy aminIzy Andriamanitra ho an'ny olombelona no tena zava-kinendrin'ny nitsaharany. Ny olombelona koa dia natao hiasa mandritra ny henemana ary hitsahatra amin'ny Sabata andro fahafito. Nilaza ilay teolojianina Karl Barth fa ny nitsaharan'Andriamanitra taorian'ny Famoronana dia ao anatin'ilay "fanekem-pahasoavana", izay nanasany ny olombelona rehetra mba "hitsahatra miaraka Aminy, hiara-hiombona amin'ny fitsaharan'Andriamanitra" - Church Dogmatics, b. 3, fizarana 1 (Edinburgh, Scotland: T&T Clark Ltd., 1958), t. 98.
Noho ny fitiavany no niantsoan'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy hiara-hitsahatra Aminy rehefa avy noforoniny izy ireo, dia izy ireo izay natao araka ny endriny, mba hanana firaisana ety Aminy. Natao haharitra mandrakizay izany fiarahana sy firaisana izany. Hatramin'ny nahalavoan'ny olombelona dia fotoan-dehibe sy mahafinaritra indrindra iarahana amin'ny Mpamonjy no atolotr'izany isan-kerinandro.
Raha misy olona manontany anao hoe: Nanatsara ny fifandraisanao amin'Andriamanitra tamin'ny fomba ahoana ny fitandremanao ny Sabata, dia inona no havalinao?