Hitantsika omaly fa raha ny zavatra fototra mandrafitra azy, dia mitovy ihany ny fanekena taloha sy vaovao. Ny zava-dehibe ao anatin'izany dia ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana an'Andriamanitra, Izay hamela ny helotsika, tsy noho ny fahamendrehantsika, fa noho ny fahasoavany irery ihany. Vokatr'io famelan-keloka io, dia manana fifandraisana Aminy isika, ary manolo-tena ho Azy amin'ny finoana sy ny fankatoavana.
Na izany aza, "fanekena tsara lavitra" no iantsoin'ny bokin'ny Hebreo ny fanekena vaovao. Ahoana no fahazoantsika ny hevitr'izany? Amin'ny fomba ahoana no maha-tsara lavitra ny fanekena iray noho ny fanekena iray hafa?
lnona no olana tamin'ilay fanekena taloha ka nahatonga azy ho "nanan-tsiny"? Heb. 8:7,8.
Ny olana dia tsy tao amin'ilay fanekena velively, fa teo amin'ny tsy fahaizan'ny olona nandray azy tamim-pinoana (Heb. 4:2). Ny mahatsara kokoa ilay vaovao noho ilay taloha dia i Jesôsy - Izay tsy niseho ara-tandindona fotsiny ihany tamin'ny alalan'ny biby natao fanatitra (araka izay hita tamin'ny fanekena taloha) - fa tonga ara-bakiteny kosa izao, sady niharan'ny fahafatesana, ary manao asa amin'ny maha-Mpisoronabe Azy. Izany hoe, ny famonjena natolotra tamin'ny alalan'ilay fanekena taloha, dia ilay omena ao amin'ilay vaovao ihany. Ao amin'ilay fanekena vaovao anefa, dia misy fanehoana lehibe sy feno kokoa Ilay Andriamanitry ny fanekena sy ny fitiavany ny olombelona lavo. Tsara lavitra izy satria ny zavatra rehetra izay nampianarina tamin'ny alalan'ireo aloka sy tandindona tao amin'ny TT dia tanteraka tao amin'i Jesôsy avokoa, dia teo amin'ny fiainany tsy nisy tsiny, sy ny fahafatesany, ary ny asany amin'ny maha-Mpisoronabe Azy, izay naseho ara-tandindona tao amin'ny fanompoam-pivavahana natao tao amin'ny fitoerana masina tety an-tany (Heb. 9:8-14).
Tsy tandindona na aloka na ohatra intsony no ananantsika, fa i Jesôsy mihitsy, tsy amin'ny maha-Zanak'ondry voavono sy nandatsaka ny rany noho ny fahotantsika Azy fotsiny (Heb. 9:12), fa amin'ny maha-Mpisoronabe Azy Izay manao fanompoana ho antsika any an-danitra koa (Heb. 7:25). Na dia tsy miova aza ny famonjena atolony, dia mahatonga ny fanekena vaovao ho ambony kokoa noho ilay taloha ny fampisehoana ny Tenany sy ny famonjena ao Aminy amin'ny fahafenoany kokoa io.
Vakio ny Heb.8:5 sy ny Heb. 10:1. lnona no teny ampiasain'ny mpanoratra entiny milaza ireo fanompoam-pivavahana fanao tao amin'ilay fitoerana masin'ny fanekena taloha? Ahoana no anampian'izany teny izany antsika hahatsapa ny fahambonian'ilay fanekena vaovao?
Saino ity: Mahalala bebe kokoa ny momba an'Andriamanitra isika vokatry ny fahafantarantsika ny momba ny fiainan'i Kristy sy ny fahafatesany ary ny asany amin'ny maha-Mpisoronabe Azy, noho ireo izay tsy nahafantatra afa-tsy ny fisoronana natao tao amin'ny fitoerana masina teto an-tany fotsiny, izay biby no atao fanatitra. Nahoana?