- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 2: Fanekena mandrakizay
- Lesona 11: Ilay fitoerana masin'ny fanekena vaovao
Fampidirana
Takariva maizim-bolana tamin'izay. Mainty ny lanitra; toy ny nirarahan'ny ranomainty. Nanarona haizina an'i Frank izany rehetra izany raha nandeha teo amin'ilay arabe babangoan'ny tanan-dehibe izy. Rehefa nandeha kelikely izy dia nandre dian-tongotr'olona nanaraka azy avy tao aoriany, misy olona manaraka azy ao amin'ny maizina ao. Notohizany ihany ny diany na dia efa mihamanakaiky aza ny feon'ilay dian-tongotra. Rehefa nahatratra azy ilay olona ka nifanojo taminy dia niteny hoe: "I Frank mpanonta printy ianao e?"
"Izaho tokoa no izy. Ahoana no nahalalanao ahy?"
"Tsy mahafantatra anao aho kah! Tsy mbola nihaona mihitsy isika. Fa ny rahalahinao no fantatro tsara, ary na dia tao amin'ny maizina aza, ny fihetsikao sy ny famindranao ary ny endrikendrikao dia nampahatsiahy ahy azy ka dia nieritreritra aho hoe ianao ilay rahalahiny. Efa nolazainy ahy mantsy fa manana rahalahy iray izy."
Io tantara io dia maneho fahamarinana iray lehibe tokoa mikasika ny fanompoam-pivavahan'ny Isiraelita atao amin'ny fitoerana masina. Hoy ny Baiboly hoe: aloka, tandindona, endrika, ary sarin'ilay tena izy izany. Na izany aza dia ampy tsara izay nasehon'ny tandindona sy ny sary mba hanambarana mialoha ireo fahamarinana natao hampitainy: dia ny fahafatesan'i Kristy sy ny asa fisoronana ataony ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra.
Indray mitopy maso: Nahoana no tian'Andriamanitra hanorina fitoerana masina ny Isiraelita? Inona no ampianarin'ny fitoerana masina antsika momba an'i Kristy Ilay nisolo antsika? Inona no ataon'i Jesôsy any an-danitra amin'ny maha-Solontenantsika Azy?