700 taona teo ho eo TLK no nanoratan'ilay poeta Homere ny asasorany hoe "L'Odyssee", tantaran'i Ulysse ilay mpiady lehibe - izay nanao dia lavitra naharitra folo taona raha niezaka niverina tany amin'ny Ithaca fonenany, rehefa avy nandrava ny tanan'i Troie tamin'ny "Guerre de Troie". Naharitra tokoa izany dia izany, satria nisetra zavatra maro izay nisakana azy tsy hanatratra ny tanjony izy: rendrika ny sambony, tojo fanoherana izy, nisy tafio-drivotra mahery, ary teo koa ireo biby mahatahotra sy loza samihafa. Rehefa hitan'ireo andriamanitra fa maro loatra ny fijaliana efa niaretan'i Ulysse dia nifanaraka izy ireo ny hampody azy any amin'ny tranony sy ny fianakaviany. Nanaiky izy ireo fa fanoloran-tena ampy hanonerana ny fahadiasoany ireo toe-java-tsarotra ireo.
Amin'ny lafiny iray dia tahaka an'i Ulysse isika, manao dia lavitra eo am-pizorana amin'ny lalam-podiana. Ny fahasamihafana lehibe eo amintsika sy Ulysse anefa dia ity: na "miaritra fahoriana" toy inona aza isika dia tsy izany velively no hahatafaverina antsika soamantsara any amin'ny fonenantsika. Lehibe loatra ny elanelan'ny lanitra sy ny tany ka tsy ho vitantsika velively ny hanarina samirery ny fahadisoantsika mba ho tody any. Raha tonga soamantsara any amin'ny fonenantsika isika dia ho noho ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany.
Indray mitopy maso: Nahoana ny famonjena no tsy maintsy ho fanomezana? Nahoana no Izay mitovy amin'Andriamanitra ihany no mahavotra ny fanahintsika? Ahoana no mahatonga an'i Abrahama ho ohatra amin'ny finoana? Inona no hevitry ny hoe fahamarinana "omena" na "ekena" ho antsika? Ahoana no hakantsika ho an'ny tenantsika ny teny fikasana sy ny fanantenana ao amin'ny hazo fijaliana?