Ny momba ny fanekena no nodinihina nandritra ity telovolana ity, izay (raha amin'ny endriny tsotra sy madio indrindra) raha ny ankapobeny dia ny filazan'Andriamanitra hoe: 'Izany no fomba hamonjeko anao ho afaka amin'ny fahotana. Tsy anampiana tsy analana.'
Na fiainana mandrakizay ao anatin'ny tontolo nohavaozina aza mazava loatra no vokatra lehibe faran'ny teny fikasan'ny fanekena, dia tsy voatery hiandry izany andro lehibe izany tsy akory isika vao ho afaka ny hisitraka ireo fitahian'ny fanekena ankehitriny. Mihevitra ny fiainantsika amin'izao fotoana izao ny Tompo; ny tsara indrindra no iriny ho antsika ankehitriny. Ny fanekena dia tsy fifanarahana izay tsy maintsy hanaovanao an'izao sy izatsy ary avy eo ireroa, ka rehefa ela ny ela dia azonao ny valisoanao. Ny valisoa sy ny fanomezana dia efa azon'izay niditra tamim-pinoana tao anatin'ny fanekena ankehitriny sy dieny ety.
Ny lesona amin'ity herinandro ity, izay mamarana ny fianarantsika momba ny fanekena, dia miompana amin'ny sasany amin'ireo fitahiana azo avy hatrany , sy ny sasany amin'ireo teny fikasana izay avy amin'ny fahasoavan'Andriamanitra mirotsaka ao am-pontsika, satria nandre Azy nandondona isika, dia novohantsika ny varavarana. Mazava loatra fa mbola misy fitahiana maro hafa ankoatra izany izay mety ho voaresatsika amin'ity herinandro ity. Fanombohana ihany mantsy ity, dia fiantombohan-javatra izay tsy hifarana na oviana na oviana.
Indray mitopy maso: Nahoana isika no tokony hahatsapa fifaliana? Inona no fototra hahazoantsika mitaky io teny fikasana io? Inona mikasika ny fanekena no tokony hahafaka antsika amin'ny vesatry ny fahamelohana? Inona no hevitr'izany hoe manana fo vaovao izany?