Efa nisy fotoana ve nahatsapanao ny tenanao ho toy ny eo anivon'ny ady mangotraka, toy ny fifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy? Olona maro, eny na ireo olon'izao tontolo izao aza dia efa nahatsapa toy izany koa. Ary mahatsapa izany isika satria izany tokoa no marina. Ao anatin'ny ady lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy isika, izay ifanandrinan'i Kristy (ny tsara) sy i Satana (ny ratsy).
Miseho amin'ny endrika roa ny fiainana, ny ratsy sy ny tsara. Mahakasika an'izao tontolo izao ny fifanandrinan'i Kristy sy i Satana, raha ny marina dia izao rehetra ary izao mihitsy no voakasik'izany satria tany an-danitra no niandohany (Apôk. 12:7). Eo anatrehan'ny toe-javatra mifamahofaho dia mora amintsika ny manadino ny hevi-dehiben'ny drafi-panavotan'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao. Mampihorohoro antsika ny ady sy ny korontana ara-pôlitika ary ny loza voajanahary, kanefa mitahiry ao an-tsaintsika ny tanjona hitodiantsika sy ny fomba hahatongavantsika amin'izany ny fitarihan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny faminaniana.
Miantraika amin'ny tsirairay ihany koa ny ady lehibe ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy. Samy miatrika fihaikana ny finoantsika rehetra eo amin'ny fiainantsika andavanandro, ary hiatrika ny fahafatesana koa aza isika raha tsy mahita ny fiavian'i Jesôsy fanindroany amin'ny fahavelomantsika. Hojerentsika amin'ity herinandro ity ny fomba hahafahantsika mitsahatra ao amin'i Jesôsy eo anatrehan'ny tsy fananam-pitsaharana eto amin'izao tontolo izao, hojerentsika ihany koa ny hoavintsika manokana ety an-tany izay tsy fantatra. Ny hoavintsika rahatrizay kosa dia mahavelom-panantenana tokoa!