Vakio ny Gen. 49:29--50:21. Inona ireo lohahevi-dehibe mitondra fanantenana hita ao amin'ny famaranana ny bokin'ny Genesisy?
Tranga telo mitondra fanantenana lehibe no mandrafitra ny famaranana ny bokin'ny Genesisy.
Ny voalohany dia ny fanantenana fa hiverina any amin'ny Tany nampanantenaina ny Isiraely. Ambaran'i Mosesy, izay nanoratra ny Genesisy, ho tranga manondro ny Tany nampanantenaina ny fahafatesan'i Jakoba sy i Josefa. Avy hatrany, taorian'ny tso-drano sy ny faminaniana nataony momba "firenen 'ny Isiraely roa ambin'ny folo" (Gen. 49:28), dia nieritreritra ny ho faty i Jakoba ka nanafatra ireo zanany mba handevina azy ao Kanana, ao anatin'ny zohin'i Makpela izay nandevenana an'i Saraha (Gen. 49:29-31). Ny fitantarana ilay dia nankany Kanana nanatanterahana ny fandevenana dia nanjary fanambarana mialoha ilay fialana tao Egipta (Eksodosy) rehefa afaka taonjato maro taty aoriana.
Ny faharoa dia ny fanantenana fa havadik'Andriamanitra ho soa ny ratsy. Nanahy ny amin'ny hoaviny ireo rahalahin'i Josefa taorian'ny nandevenana an'i Jalapa. Natahotra izy ireo andrao hamaly faty i Josefa. Nanatona sy niankohoka teo anatrehan'i Josefa izy ireo, vonona ny ho tonga mpanompony (Gen. 50:18); tranga mampahatsiahy ilay nofy ara-paminaniana nataon'i Josefa izany. Nanome toky azy ireo i Josefa ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra" (Gen. 50:19). Manambara ny hoavy io teniny io (Gen. 15:1), satria izay nokendrena "hanisy ratsy" azy, "Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa" ka nanova ny toe-javatra ho tonga amin'ny famonjena (Gen. 50:19-21; ampitahao amin'ny Gen. 45:5, 7-9). Izany hoe, na feno tsy fahombiazana toy inona aza ny olombelona dia ny fitondran'Andriamanitra no mifehy ny zavatra rehetra.
Ny fahatelo dia ny fanantenana fa hamonjy ny taranak'olombelona lavo Andriamanitra. Mihoatra lavitra noho ny fahafatesan'i Josefa no tantaraina ao amin'ilay andininy farany ao amin'ny bokin'ny Genesisy. Mahagaga fa tsy nanafatra ny amin'ny handevenana ny taolany i Josefa. Saingy nilaza izy hoe: "Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto hianareo." — Gen. 50:25; dia nataon'izy ireo tokoa izany, taona maro taorian' izany, ho fankatoavana indrindra izany teny izany (jereo ny Eks. 13:19). Farany, ny fanantenana ny Tany nampanantenaina, Kanana, dia maneho mialoha ilay fanantenana faratampon'ny famonjena, fanantenana ny famerenana amin'ny laoniny, fanantenana ilay Jerosalema vaovao ao amin'ny lanitra vaovao sy tany vaovao — dia ilay fanantenana faratampony ho an'ny tsirairay avy amintsika, fanantenana izay azo antoka amin'ny alalan'ny fahafatesan'i Silo.
Vakio ny Apok. 21:1-4. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo ny fanantenana lehibe indrindra ananantsika? Raha tsy misy izany teny fikasana izany, tsy ny fahafatesana ve no hany fanantenana ho antsika hifaranan'ireo olantsika rehetra?