Lesona 9: Miverina amin'Andriamanitra

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Deo. 5:22-29; Deo. 4:25-31; Deo. 30:1-10; Mat. 3:1-8; Mar. 1:15; Asa. 2:37,38.

    Tsianjery: Kanefa any hianao no hitady an'i Jehôvah Andriamanitrao ka nahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra." - Deo. 4:29. 

     

    Mazava loatra fa miresaka betsaka ny amin'ny fibebahana ny TV. Nanomboka tamin'ny antso ho amin'ny fibebahana tokoa ny asa nanirahana Jaona mpanao batisa.

    Vakio ny Mat. 3:1-8. Ahoana ny fisehon'ilay hoe "miverina" na "mody" ao amin'ireo andininy ireo? Izany hoe, inona no Iazain'i Jaona mpanao batisa azy ireo eto ka maneho izay voambara ao amin'ny Deoterônômia? Nahoana no natao indrindra ho an'ny Fariseo sy ny Sadoseo koa ny teniny? 

    Nanomboka ny asany tamin'ny antso ho amin'ny fibebahana ihany koa i Jesôsy.

    Vakio ny Mar. 1:15. Inona no lazain'i Jesôsy, ary nahoana no ampifandraisiny amin'ny filazantsara ny fibebahana?

    Iray ihany ny hevitra tian'i Jaona mpanao batisa ambara tamin'ny niresahany manokana tamin'ireo mpitari-pivavahana, sy ny hevitr'i Jesôsy raha niresaka tamin'ilay firenena manontolo Izy. Mpanota isika, ary na tonga hamonjy antsika aza i Kristy, dia mila mibebaka amin'ny fahotantsika isika. Ary izany fibebahana izany - na ho an'ny mpandika lalana, na ho an'ny Kristianina lavo amin'ny fahotana, na ho an'ny olona vao niova fo - dia midika ho fialana amin'ny fornbantsika feno fahotana tany aloha. Mila miaiky ny maha-mpanota antsika isika ka manenina marina ny amin'ny otantsika (fa tsy noho ny vokany fotsiny). Mila manao safidy amim-piheverana tsara isika mba hiala amin'ny fahotana, ary hiantehitra tanteraka amin'ny fahamendrehan'i Jesôsy Kristy, ka "hihaino tsara ny feon'i Jehôvah Andriamanitsika" (Deo. 15:5).

    Hitan'ireo mpandinika Baiboly sasany fa miverina ao amin'ny TV ny foto-kevitra momba ny fibebahana voalaza ao amin'ny Deoterômômia. Ohatra, rehefa nomelohin'i Petera ho nanombo an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana ny firenena, dia maro ny olona no "voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?" - Asa. 2:37. Izany hoe, rehefa nahatsapa ny fahotany izy ireo dia nalahelo ("voatsindrona tam-pony"), ka naniry hahalala izay tokony hataony ankehitriny mba hihavanany amin'Andriamanitra, Izay nanotany.

    Tsy toy izany avokoa ve isika rehetra, izay efa nanota tamin'Andriarnanitra?

    Vakio ny Asa. 2:38. Inona no navalin'i Petera ny fanontanian'izy ireo? Ahoana no anehoan'izany ny foto-kevitra momba ny tena fibebahana marina? 

    Mpanota avokoa isika rehetra; izany ny zava-misy. Rentsika indraindray ny "manam-pahaizana" sasany mitsikera ny foto-kevitry ny Kristianina mikasika ny maha-ratsy ny olombelona. Kanefa mijere na mihainoa vaovao fotsiny ianao mandritra ny andro iray na roa, na manaova jery todika vetivety monja ny tantaran'ny taranak'olombelona, dia ho hitanao fa marina tokoa io foto-kevitry ny Kristianina io.

    Na koa, mora noho izany aza, aza mandeha lavitra fa mijere fitaratra. Izay rehetra maharitra amin'ny fandinihana lalina ny fony (izay toerana mety hampatahotra tokoa) dia mahafantatra fa marina ny voalazan'ny Rôm. 3:9-23, izay mifarana amin'ny hoe: "fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra" - Rôm. 3:23. 

    Mazava loatra fa hita ao amin'ny andininy manaraka ny vaovao mahafaly, izay manambara fa "hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesôsy" - Rôm. 3:24. Manana anjara lehibe ao anatin'io vaovao mahafaly io ny fibebahana: ny fiaikentsika ny fahotantsika, ny fanenenantsika ny amin'izany, ny fangatahantsika famelan-keloka amin'Andriamanitra, ary farany ny fialantsika amin'ilay fahotana. Satria mpanota isika dia tokony ho ampahany manan-danja eo amin'ny fiainantsika amin'ny maha-Kristianina antsika ny fibebahana. Hijery ny amin'io fibebahana io isika mandritra ity herinandro ity, araka ny anehoana azy ao amin'ny Deoterônômia. 

    Ny teny Hebreo ao amin'ny Baiboly, tahaka ny ankamaroan'ny teny rahateo, dia manana fomba fiteny izay ampiasaina mba hanambarana hevitra tsy araka izay lazain'ilay teny ara-bakiteny. Anisan'ny fomba fiteny ao amin'ny TT ny hoe: "Mi-yitten". Ny "Mi" dia midika hoe "Iza?", ary ny "yitten" kosa "hanome". Koa raha ara-bakiteny dia "Iza no hanome?" no dikan'ny hoe "Mi-yitten". Ao amin'ny TT anefa dia manambara faniriana na hetaheta io fomba fiteny io; milaza ny hetaheta lalina ao anatin'ny olona iray izay manam-paniriana manokana izany. Ohatra, rehefa niala tao Egipta ny zanak'Isiraely ka tojo zava-tsarotra maro tany an'efitra, dia nitaraina hoe: "Inay anie izahay mba matin'ny tanan'i Jehôvah tany amin'ny tany Egypta" - Eks. 16:3. Ny "Inay" eto dia avy amin'ny teny hoe "Mi-yitten". Hoy i Davida ao amin'ny Sal. 14:7: "Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely!" ny hoe "Enga anie" dia avy amin'ilay teny hebreo "Mi-yitten" koa. 

    Vakio ny Deo. 5:19-26, ka ifantohy manokana ny and. 26. Raha avy amin'ny ilay hoe "Enga anie" dia midika inona izany?

    Indro ny Tompo - Ilay Andriamanitra Mpamorona, nanao ny habakabaka sy ny fotoana ary ny zavatra rehetra, Ilay niteny dia nisy izao tontolo izao, Ilay nanisy fofonaina mahavelona tao amin'i Adama - dia miteny amin'ny fitenintsika olombelona, izay marefo sy voafetra. Ohatra lehibe maneho mazava ny fisian'ny safidy malalaka tokoa izany! Hitantsika eto fa voafetra ihany ny zavatra azon'Andriamanitra atao ao anatin'ilay ady lehibe ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy. Ny fampiasana ilay hoe "Mi-yitten" eto dia manambara fa na Andriamanitra aza dia tsy afaka manitsakitsaka ny safidy malalaka, raha tsy izany dia tsy ho "safidy malalaka" intsony no iantsoana izany.

    Afaka misafidy malalaka ny hanota isika, dia toy izany koa, afaka mifidy ny Tompo isika, mifidy ny hanaiky hotarihiny, ny hamaly ny antson'ny Fanahiny, ny hibebaka ka hanaraka Azy. Isika no tompon-tsafidy amin'ny farany, isika ihany, ary isan'andro, isam-potoana, no tsy maintsy anaovantsika izany safidy izany.

    Inona avy ny sasany amin'ireo safidy tsy maintsy hataonao ao anatin'ny ora na andro vitsivitsy? Ahoana no hianaranao manankina ny sitraponao amin'Andriamanitra ka hahafahanao manao safidy tsara noho ny hery avy Aminy? 

     

    Misy lohahevi-dehibe anankiray hita manerana ny bokin'ny Deoterônômia: raha mankato an'Andriamanitra ianao dia hotahina, raha tsy mankato kosa dia hiharan'ny vokatr'izany. Tsy misy hafa amin'izany ny ao amin'ny TV. "Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy." - Gal. 6:7,8.

    Indrisy fa farafahakeliny taorian'ny Fahalavoana, dia nanjary mora amintsika toy ny miaina (mifoka sy mamoaka rivotra) ny manota. Ary na eo aza ny fampitandremana sy ny teny fikasana rehetra - "Fa izao lalana izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra" -Deo. 30:11 - dia izao no nataon'ny ankamaroan'ny olona: ireo fahotana izay nampitandreman'Andriamanitra azy indrindra no nahalavo azy.

    Na izany aza anefa dia vonona ny handray azy ireo indray Andriamanitra raha toa ka mifidy ny hibebaka sy hiverina Aminy an-tsitrapo izy ireo.

    Vakio indray ny Deo. 30:1-10. Inona no ambaran'ny Tompo fa hataony amin'ny olony na eo aza ny fahadisoany? Inona anefa ny fepetra iankinan'ireo teny fikasana mahafinaritra ireo?

    Tsotra sy mazava ny tiana ambara eto: raha manao fahadisoana ianao dia hizaka ny vokany mahatsiravina miaraka amin'ny fianakavianao. Izany no ataon'ny fahotana. Kanefa na eo aza izany dia afaka mibebaka ianao, ary handray anao indray ny Tompo ka hitahy anao.

    Miverimberina ao amin'ireo andininy ireo ilay fototeny hebreo niavian'ny hoe teshuvah. "Ka miverina amin'i Jehôvah Andriamanitrao (...)", no hita ao amin'ny Deo. 30:2. Ny ao amin'ny Deo. 30:8, na toy izao aza no nandikana azy (ary marina izany): "Dia hihaino ny feon'i Jehôvah indray hianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio", dia azo adika ara-bakiteny hoe: "Hiverina ianao ka hihaino ny feon'i Jehôvah". Ary farany, ny ao amin'ny Deo. 30:10, izay manao hoe: "(...) ka miverina amin'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra", eto indray, ny hoe "miverina" dia midika ara-bakiteny hoe "mody".

    Izany hoe, na inona na inona nitranga tarnin'izy ireo, na nodikainy tanteraka sy tsy nohajainy aza ny fanekena, dia tsy nahafoy io vahoaka io ny Tompo, ary raha mbola manina ny Tompo koa izy ireo, dia azony aseho amin'ny alalan'ny fibebahana izany faniriany izany.

    Na dia ny Isiraely amin'ny maha-firenena azy aza no resahina eto, na tsy mitovy aza ny tontolon-kevitra tamin'izany andro izany sy ankehitriny, ahoana no anehoan'ireo andininy ireo ny maha-zava-dehibe tokoa ny fibebahana marina ho antsika amin'ny maha-mpino antsika, izay mazana mandika ihany koa ny fanekena nifanaovantsika tamin'Andriamanitra?

    Manambara ny fahasoavana sy ny fahatsaran' Andriamanitra ho an'ny mpanota sy ny mpandika lalàna ny Deo. 30:10, na dia efa nanandrana ny fitahian'Andriamanitra tamin'ny fomba manokana aza izy ireo. "Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an'i Jehôvah Andriamanitra amin'izay rehetra iantsoantsika Azy?" - Deo. 4:7. Na maro aza ny zavatra efa nataon'Andriamanitra ho azy ireo, na tsy manana fialan-tsiny sy tsy afaka manamarin-tena noho ny fahotany aza izy, dia mbola manota ihany (tsy toy izany koa ve isika?).

    Mbola inona ihany anefa no ataon'Andriamanitra?

    Ao amin'ny Deo. 30:1-10, inona avy no tafiditra ao anatin'ny fibebahana sy ny fiverenana (teshuvah) amin'Andriamanitra? Inona no notakina tamin'izy ireo, ary inona no ampianarin'izany antsika mikasika ny atao hoe: fibebahana marina? 

    Tsy maintsy nanao safidy ihany izy ireo nony farany, dia ny hiverina amin'ny Tompo ka hankato azy amin'ny fony rehetra. Amin'ny lafiny iray dia ny fon'izy ireo no tena olana. Raha araka an'Andriamanitra mantsy ny fony dia ho toy izany koa ny asany: izany hoe, hankatej izy ireo.

    Izany no nanomezana azy ireo ilay teny fikasana mahafinaritra fa raha "miverina" amin'ny Tompo amin'ny fony tokoa izy ireo, dia hiasa ao anatin'izy ireo Izy ka "hamora" ny fony. Mila misafidy ny hiverina amin'Andriamanira izy ireo, ao anatin'ny fahababoany, ary Izy kosa hitondra azy ireo hiverina Aminy sy amin'ilay tany indray. Dia hitahy azy ireo eo amin'izany tany izany Izy. Ampahany amin'io fitahiana io ny asa ataon'Andriamanitra ao anatiny hanovana ny fony mba hirona ho any Aminy bebe kokoa, ary ny taranany "ho tia an'i Jehôvah amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, mba ho velona."

    Amin'ny farany, rehefa mamaly ny antson'Andriamanitra izy ireo, dia hibebaka marina amin'ny fahotany (jereo ny Asa. 5:31). Nanoratra toy izao koa i Ellen G. White, na dia ao anatin'ny tontolon-kevitra ara-tantara hafa aza: "Nalahelo noho ny loza nentin'ny fahotana teo aminy ny olona fa tsy noho ny fanalana baraka an'Andriamanitra sy ny fandikana ny didiny. Mahery noho ny alahelo ny amin'ny fahotana ny tena fiovam-po marina: tsy inona izany fa fihambohoana tanteraka amin'ny ratsy." - PM, t. 586, ed 1985. Hitantsika ao amin'ny Deo. 30:1-10 izany fahamarinana izany.

    Ahoana no ahaizantsika manavaka ny alahelo noho ny vokatry ny otantsika, izay mety hitranga amin'ny olona rehetra, sy ny alahelo noho ilay fahotana mihitsy? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fiavahan'ireo? 

    "Isaky ny dingana eo amin'ny fanandramana kristianina, dia hihalalina ny fibebahantsika. Ireo izay navelan'ny Tompo ny helony, ireo izay nekeny ho vahoakany no ilazany hoe: Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo' -Ezek. 36:31. Ary hoy indray izy: `Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, mba hahatsiarovanao sy hangaihaizanao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin'ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.' - Ezek. 16:62,63. Amin'izay ny molotsika dia tsy hisokatra hidera tena. Ho fantatsika fa ny fahampiantsika dia ao amin'i Kristy irery ihany. Hanao ny fiaiken-keloka nataon'ny apastaly isika hoe: Ta fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko' - Ram. 7:18. `Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin'izao tontolo izao. ' - Gal. 6:14." - HF, tt. 157,158. 

    "Ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka.' - Rôm. 2:4. Misy rojovolamena iray, dia famindrampo sy fangorahan'ny fitiavan'Andriamanitra, izay alefa manodidina ny fanahy tsirairay tandindomin-doza. Hoy ny Tompo: Fitiavana mandrakizay  no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.' - Jer. 31:3, no itarihako anao, hoy ny Baiboly anglisy." - HF, t. 201. 

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

    1. Na dia tsy maintsy mibebaka aza isika, ahoana no hitandremantsika mba tsy ho voafandrika ka hihevitra fa ny asa fibebahana no mahatonga antsika ho mendrika sy marina eo anatrehan'Andriamanitra?

    2. "Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesôsy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika ra marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? Fa asa anao. Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty." - Mat. 27:3-5. Tsy isalasalana fa nalahelo noho ny zavatra nataony tamin'i Jesosy i Jodasy (namono tena rahateo Izy). Nahoana anefa no tsy noraisina ho fibebahana ny fihetsika nasehony?

    3. Nahoana ny maha-mpanota antsika olombelona no tokony hahatonga antsika hanana fanetrentena mandrakariva eo anatrehan'ny hafa (tsy mitsaratsara azy ireo isika) sy eo anatrehan'Andriamanitra? Nahoana ny fahafatesan'i Jesôsy, Ilay Zanak'Andriamanitra, no tokony haneho amintsika fa tena ratsy tokoa ny fahotana? 

    Please publish modules in offcanvas position.