- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 4: Fahamarinana ankehitriny ao amin’ny Deotoronomia
- Lesona 11: Ny Deoterônômia sy ireo boky faramparany
Inona no ilain'i Jehôvah
Antso ho amin'ny fahatokiana no tena mibahan-toerana ao amin'ireo boky nosoratan'ny mpaminany. Tsy resaka fahatokiana an-kapobeny fotsiny anefa izany fa singanina manokana ny fahatokian'ny Isiraely amin'ny fanatanterahana ny anjarany ao anatin'ny fanekena, izay nohamafisina mialoha indrindra ny nidiran'izy ireo ny Tany Nampanantenaina. Izao no asehon'ny bokin'ny Deoterônômia ny fanamafisana ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely. Efa madiva ho tanteraky ny Tompo izao ny teny fikasany (na manomboka manatanteraka izany Izy), izay anjarany ao anatin'rly fanekena, 40 taona taorian'ny firenirenena. Koa mananatra ny vahoaka i Mosesy mba hanatanteraka ny anjarany koa. Eny tokoa, ny ankamaroan'ireo boky nosoratan'ny mpaminany dia mitovy ny foto-keviny: miantso ny olona hanao tsara ny anjarany ao anatin'ny fanekena izany.
Vakio ny Mika 6:1-8. Inona no ambaran'ny Tompo amin'ny vahoaka eto, ary ahoana no ifandraisan'izany amin'ny bokin'ny Deoteronomia? (Jereo koa Amo. 5:24 sy Hos. 6:6.)
Hitan'ireo mpandinika ny Baiboly ao amin'ireo andininy ao amin'ny Mika ireo ilay antsoina hoe "fampiakarana fitsarana ao anatin'ny fanekena". Andriamanitra no "mampiakatra fitsarana" na "mitory" ny olony noho ny nandikan'izy ireo ny fanekena. Toy izao no ilazan'i Mika izany: "Jehôvah manana ady amin'ny olony" - Mika 6:2, ka ilay teny hoe "ady" dia azo heverina hoe fitondrana ny raharaha eo amin'ny fitsarana. Izany hoe, ny fitorian'Andriamanitra azy ireo any amin'ny fitsarana dia sary an'ohatra maneho ilay lafiny mahakasika ny lalana (ankoatra ny lafiny ara-pifandraisana) ao anatin'ny fanekena.
Tsy tokony hahagaga izany satria manana anjara toerana lehibe ao anatin'ny fanekena rahateo ny lalana. Mariho koa ny findraman'i Mika ilay teny ao amin'ny Deoterônômia hoe: "Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehôvah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahptra an'i Jehôvah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalàny rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin'i Jehôvah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa hianao?" - Deo. 10:12,13.
Tsy nataon'i Mika nitovy tanteraka tamin'izay voasoratra tao amin'ny Deoterônômia izany fa Hay "lalana voasoratra" ao amin'ny Deoterônômia dia nosoloiny "ny foto-pisainan'ny lalana", dia ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo. Ny zava-miseho eto dia izao: na mivavaka sy manam-pahamasinana toy inona aza ny Isiraely araka ny fijery azy ety ivelany (ohatra: manao fanatitra marobe toy ny "ondrilahy arivoarivo"), dia tsy izany no hahatsara ny fifandraisany amin'Andriamanitra. Inona moa no ilana ny fahamasinan'izy ireo ivelany raha toa ka "mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, sy trano koa ka mahalasa azy; ary mampahory olona mbamin'ny ankohonany izy, dia ny olona mbamin'ny lovany" - Mika 2:2?
Natao ho fahazavana ho an'izao tontolo izao ny Isiraely, izay hampiaiky ny firenena rehetra hoe: "Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io" - Deo. 4:6. Noho izany dia natao hiasa amim-pahendrena sy amim-pisainana tsara izy ireo, ka hitondra ny olona amim-pahamarinana sy famindrampo.