Lesona 3: Ilay zanaky ny teny fikasana

    Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 2:2,3; Heb. 1:1-4; Eks. 24:16,17; Isa. 44:24; Heb. 1:10; Lio. 1:31,32; Heb. 1:5.

    Tsianjery: "(...) dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra." Heb. 1:2,3.

    Taoriana kelin'ny nanotan'i Adama sy i Eva dia nampanantena "taranaka" ho azy ireo Andriamanitra, Zanaka izay hanafaka azy ireo amin'ny fahavalo, hamerina izay efa very ary hahatanteraka ny fikasana nenti-namoronana azy ireo (Gen. 3:15). Sady hisolo tena azy ireo io Zanakalahy io no hanavotra azy amin'ny alalan'ny fakana ny toerany sy ny fandringanana ny menarana amin'ny farany.

    "Rehefa ren'i Adama sy i Eva tamin'ny voalohany ny teny fikasana, dia nanantena izany ho tanteraka vetivety izy. Noraisiny tamim-pifaliana ny zanany lahimatoa, ary nantenainy fa izy no ho Mpanafaka. Naharitra ela anefa ny fahatanterahan'ny teny fikasana."- IFM, t. 25.

    Nohamafisina tamin'i Abrahama io teny fikasana io taty aoriana. Nianiana taminy Andriamanitra fa hanana "taranaka" izy, Zanakalahy izay avy aminy no hitahiana ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany (Gen. 22:16-18; Gal. 3:16). Nanao tahaka izany tamin'i Davida koa Andriamanitra; nampanantena Izy fa hatsangan'Andriamanitra tahaka ny Zanany ny taranak'i Davida ary hampitoeriny ho mpanapaka marina ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra (2 Sam. 7:12-14; Sal. 89:27-29). Azo heverina anefa fa tsy nandalo tao an-tsain'i Adama sy i Eva ary i Abrahama na i Davida velively fa Andriamanitra mihitsy io Zanakalahy Mpanavotra io.

    Ny paragrafy voalohany ao amin'ny bokin'ny Hebreo dia maneho ny finoan'i Paoly fa velona amin'ny "andro farany" izy. Fomba fiteny roa mikasika ny hoavy, izay manana ny heviny samy hafa, no ampiasain'ny Soratra Masina. Nampiasa ny fomba fiteny hoe "andro farany" na "any am-parany", ireo mpaminany, mba hanondroana ny hoavy ankapobeny (Deo. 4:30,31; Jer. 23:20). Nampiasa fomba fiteny faharoa ny mpaminany Daniela, "fotoanan'ny farany" (Dan. 8:17; Dan. 12:4, DIEM) mba hiresahana manokana momba ny andro farany eo amin'ny tantaran'ny tany.

    Vakio ny Nom. 24:14-19 sy ny Isaia 2:2,3. lnona no nampanantenain' Andriamanitra fa hataony ho an'ny olony "any am-parany"?

    Maro ny mpaminanin'ny TT no nanambara fa "any am-parany" Andriamanitra dia hanangana Mpanjaka izay handringana ireo fahavalon'ny olony (Nom. 24:14-19) sy hitaona ny firenena ho eo amin'ny Isiraely (Isa. 2:2,3). Ambaran'i Paoly fa tanteraka tao amin'i Jesôsy ireo teny fikasana ireo. Nandresy an'i Satana Izy ary nitaona ny firenena rehetra hanatona Azy tamin'ny alalan'ny fitoriana ny Filazantsara (Kol. 2:15; Jao. 12:32). Efa nanomboka ny "andro farany", araka izany, satria efa nahatanteraka ireo teny fikasan'Andriamanitra i Jesôsy.

    Maty tao amin'ny finoana ireo razambentsika ara-panahy. Tazany sy narahabainy avy "eny lavitra eny" ireo teny fikasana ireo saingy tsy nandray izany izy. Isika kosa dia nahita ny fahatanterahan'izany tao amin'i Jesôsy.

    Andeha hosainintsika mandritra ny fotoana fohy ny amin'ireo teny fikasan' Andriamanitra sy i Jesôsy. Nanome toky ny Ray fa hanangana ny zanany amin'ny maty (1 Tes. 4:15,16). Ny vaovao mahafaly dia ny nanombohany izany fananganana ny zanany amin'ny maty izany tamin'ny nananganany an'i Jesosy tamin'ny maty (1 Kor. 15:20; Mat. 27:51-53). Nampanantena famoronana vaovao koa ny Ray (Isa. 65:17). Nanomboka nanatanteraka izany teny fikasana izany Izy tamin'ny namoronany fiainana ara-panahy vaovao ao anatintsika (2 Kôr. 5:17; Gal. 6:15). Nampanantena Izy fa hanorina ny fanjakany izay hitoetra mandrakizay (Dan. 2:44); nanokana izany fanjakana izany Izy tamin'ny nanafahany antsika tamin'ny herin'i Satana sy ny nametrahany an'i Jesôsy ho Mpanapaka antsika (Mat. 12:28-30; Lio. 10:18-20). Vao fanombohana ihany anefa izany. Hotanterahin'ny Ray amin'ny fahafenoany amin'ny fiavian'i Jesôsy fanindroany izay natombony tamin'ny fiaviany voalohany.

    Jereo ireo teny fikasana rehetra notanterahin'Andriamanitra tamin'ny lasa. Ahoana no tokony hanampian'izany antsika hitoky Aminy eo anatrehan'ireo teny fikasana tsy mbola tanteraka?

    Vakio ny Heb. 1:1-4. lnona ny hevi-dehibe asongadin'ireo toko sy andininy ireo?

    Fehezanteny tokana ny Heb. 1:1-4 amin'ny teny grika fototra, ary voalaza fa izany no fehezanteny kanto indrindra ao amin'ny TV raha jerena ny hailahateny anehoana azy. Izao ny hevi-dehibe fonosiny: niteny tamintsika tamin'ny alalan'ny Zanany (Jesôsy) Andriamanitra.

    Efa ela no tsy nandrenesan'ireo Jiosy tamin'ny taonjato voalohany TrK ny tenin'Andriamanitra. Avy tamin'ny mpaminany Malakia sy ny asa nataon'i Ezra sy i Nehemia, izay velona tany amin'ny taonjato efatra talohan'izy ireo, ny fanambarana farany hita tao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Ankehitriny anefa dia miteny amin'izy ireo indray Izy amin'ny alalan'i Jesôsy .

    Ambony lavitra noho ny fanambarana nataon'Andriamanitra tamin'ny alalan'ireo mpaminany anefa ny fanambarany tamin'ny alalan'i Jesôsy  satria i Jesôsy no mpanao fanambarana lehibe indrindra. Izy mihitsy no Ilay Andriamanitra izay namorona ny lanitra sy ny tany ary manapaka izao rehetra izao. Tsy mba nisalasala ny amin'ny maha-Andriamanitra an'i Kristy mihitsy i Paoly fa nanaiky izany tanteraka.

    Ho azy dia tenin'Andriamanitra ihany koa ny TT. Ilay Andriamanitra izay niteny tamin'ny lasa no mbola miteny ankehitriny. Nampita fahalalana marina ny sitrapon'Andriamanitra ny TT.

    Tsy nety takatra tamin'ny faha-fenoany anefa ny hevitr'izany raha tsy efa tonga teto an-tany ny Zanaka. Araka ny fiheveran'ny mpanoratra,
    ny fanambaran'ny Ray ao amin'ny Zanaka no fanalahidy hahatakarana marimarina ny TT, tahaka ny anehoan'ny sary ao amin'ny piozila ny toerana mety indrindra ametrahana ny ampahan-tsary kely tsirairay. Lehibe tokoa ny fampahafantarana nataon'i Jes6sy mikasika ny TT.

    Eo andaninIzany dia tonga mba ho Solontena sy Mpamonjy antsika i Jesôsy  Izy no naka ny toerantsika tao amin'ny ady ary nandresy ny menarana. Tahaka izany koa, ao amin'ny bokin'ny Hebreo, i Jesôsy no "mpialoha lalana" na "kapiteny" sy "mpitarika" ny mpino (Heb. 2:10; Heb. 6:20, DIEM). Miady ho antsika izy ary misolo tena antsika. Midika ihany koa izany fa izay nataon'Andriamanitra ho an'i Jesôsy , Ilay solontenantsika, dia tian'ny Ray hatao ho antsika koa. Ilay manandratra an'i Jesôsy ho eo an-tanany ankavanana dia maniry antsika koa hiara-mipetraka amin'i Jesôsy eo ambonin'ny seza fiandrianany (Apôk. 3:21). Tsy izay nambaran'i Jesôsy ihany no hafatra tian'Andriamanitra hampitaina amintsika fa izay nataon'ny Ray taminy sy tamin'ny alalany koa, izany rehetra izany dia mba hahasoa antsika amin'izao fiainana izao sy mandrakizay.

    Eritrereto ny hevitry ny hoe i Jesôsy. ilay Andriamanitra no tonga teto an-tany. Nahoana izany fahamarinana izany no mitondra fanantenana lehibe ho antsika?

    Vakio ny Heb. 1:2-4. Inona avy ny zavatra ampianarin'ireo andalan-teny ireo mikasika an'i Jesôsy?
    Ao amin'ity fizarana ity isika dia hifantoka amin'ny andalan-teny manao hoe: "Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra" - Heb. 1:3.

    Vakio ny Eks. 24:16,17; Sal. 4:6; Sal. 36:9 ary ny Sal. 89:15. Ahoana no anampian'ireo toko sy andininy ireo antsika hahatakatra momba ny voninahitr'Andriamanitra?

    Ao amin'ny TT, ny voninahitr'Andriamanitra dia manondro ny fanatrehany hita maso teo amin'ny vahoakany (Eks. 16:7; Eks. 24:16,17; Lev. 9:23; Nom. 14:10). Matetika izany fanatrehana izany no ampifandraisina amin'ny fahazavana na famirapiratana.

    Mampahafantatra antsika ny Soratra Masina fa i Jesôsy no fahazavana tonga teto amin'izao tontolo izao mba haneho ny voninahitr' Andriamanitra (Heb. 1:3; Jao. 1:6-9, 14-18; 2 Kôr. 4:6). Eritrereto ao anatin'ny fotoana fohy ny fisehoan'i Jesôsy nandritra ny fiovan-tarehy teo an-tendrombohitra. "Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava" - Mat. 17:2.

    Tsy hita maso ny masoandro afa-tsy amin'ny alalan'ny tara-pahazavany; tahakaizany koa, amin'ny alalan'i Jesôsy ihany no hahalalana an'Andriamanitra. Iray ihany ny fijerintsika ireo zavatra roa ireo. Ny voninahitr'Andriamanitra dia fahazavana. Tahaka ny itovian'ny fahazavana sy ny tara-pahazavana no itovian'Andriamanitra sy i Jesôsy ao amin'ny saina sy ny fo.

    Ambaran'ny bokin'ny Hebreo koa fa i Jesôsy no "endriky ny tenan'ny Ray (Heb. 1:3). Izao no hevitra avohitr'izany sariteny izany: misy fitoviana tonga lafatra eo amin'ny maha-Izy ny Ray sy ny Zanaka. Mariho fa ny endrik'Andriamanitra no hita eo amin'ny olombelona fa tsy ny maha-Izy Azy (Gen. 1:26). Ny Zanaka kosa dia manana ny toetry ny Ray sy ny maha-Izy Azy. Tsy mahagaga ny nilazan'i Jesôsy hoe: "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray" - Jao. 14:9.

    Nahoana no vaovao mahafaly tokoa ny hanehoan'i Jesôsy ny toetra sy ny voninahitry ny Ray amintsika? Inona no ambarany amintsika momba ny toetry ny Ray?

    Ambaran'ny bokin'ny Hebreo fa nahary izao tontolo izao "tamin'ny alalan'i Jesôsy Andriamanitra ary i Jesôsy no mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny.

    Vakio ny Isa. 44:24; Isa. 45:18 ary ny Neh. 9:6.

    Manambara Andriamanitra ao amin'ny TT fa Izy "irery" no nahary an'izao tontolo izao ary Izy no hany Andriamanitra; ahoana ary no ampifandraisantsika izany fanambarana izany amin'izay lazain'ny TV mikasika ny namoronan'Andriamanitra an'izao rehetra ireo tamin'ny alalan'i Jesôsy (Heb. 1:2,3)?

    Misy ireo mieritreritra fa fitaovana nentin'Andriamanitra nanao ny famoronana fotsiny i Jesôsy. Tsy mitombina izany fiheverana izany. Voalohany, ambaran'i Paoly fa Tompo izay namorona an'izao tontolo izao Jesôsy fa tsy Mpanampy tsy akory. Ambaran'ny Heb. 1:10 fa i Jesôsy no Tompo nahary ny tany sy ny lanitra; ampifandraisin'i Paoly Aminy ihany koa izay voalazan'ny Sal. 102:25-27 izay miresaka ny amini Jehôvah (Yahweh) Mpamorona. Faharoa, ny Heb. 2:10 dia milaza fa noharian'ny Ray na tamin'ny alalan'ny Ray izao rehetra izao. (Izany ihany koa ny fomba fiteny nampiasaina manondro an'i Jesôsy ao amin'ny Heb. 1:2). Namorona ny Ray ary i Jesôsy koa namorona (Heb. 1:2,10; Heb. 2:10). Misy fifanarahan-kevitra eo amin'ny Ray sy ny Zanaka amin'ny fikasana sy ny asa. Ao anatin'ny zava-miafin'ny maha-telo izay iray an'Andriamanitra izany. Namorona i Jesôsy ary Andriamanitra koa namorona kanefa iray ihany ny Mpamorona, dia Andriamanitra - midika izany fa Andriamanitra i Jesôsy.

    Asehon'ny Heb. 4:13 fa Mpitsara ihany koa i Jesôsy. Manana fahefana hitsara sy hanapaka Izy satria namorona ny zavatra rehetra Andriamanitra ary mihazona izao rehetra izao (Isa. 44:24-28).

    Ambaran'ny Heb. 1:3 sy ny Kôl. 1:17 fa mihazona an'izao rehetra izao ihany koa i Jesôsy. Azo heverina fa mahafaoka ny fitarihana na ny fitondrana izany fihazonana izao rehetra izao izany. Ny teny grika pheron (mihazona, mitondra) no ampiasaina mba hilazana ny fitondran'ny rivotra ny sambo (Asa. 27:15, 17) na ny nitondran'Andriamanitra ireo mpaminany (2 Pet. 1:21). Araka izany, tsy hoe namorona antsika fotsiny i Jesôsy fa mihazona antsika ihany koa. Ao Aminy, Ilay fanorenan'ny voary rehetra, ny fofonaintsika rehetra sy ny fitepon'ny fontsika ary ny fotoana rehetra iainantsika.

    Jereo ny Asa. 17:28. Inona no ambaran'izany amintsika momba an'i Jesôsy sy ny heriny? Rehefa izay dia eritrereto ny amin'io Jesôsy  io ihany izay maty teo amin'ny hazo fijaliana noho ny otantsika. Inona no ampianarin'izany fahamarinana izany momba ny toetra feno fandavan-tenan'llay Tompontsika?

    Mamerina ny teny nataon'Andriamanitra Ray tamin'i Jesôsy ny Heb. 1:5: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao andro-any". Inona ny hevitry ny hoe "nateraka" i Jesôsy , ary oviana no nisehoan'izany? Moa ve izany milaza fa noharian'Andriamanitra tany amin'ny lasa, araka izay inoan'ny maro, i Jesôsy ?

    Vakio ny Heb. 1:5; 2 Sam. 7:12-14; Sal. 2:7 ary ny Lio. 1:31,32. Inona ny teny fikasana natao tamin'i Davida izay nampifandraisin'i Paoly amin'i Jesôsy ao amin'ny bokin'ny Hebreo?

    Ny hevitry ny hoe Jesôsy nateraka dia hoe nampitoerina na "natsangan'Andriamanitra amin'ny maha-Mpanapaka nampanantenaina Azy, dia zanak'i Davida. Fampiasa teo amin'ny tontolo grika-rômanina sy tatsinanana ny hevitra mikasika ny fananganan'Andriamanitra ny mpanapaka. Nanjary nanam-pahefana teo amin'ny tany ny mpanjaka ary nekena hanapaka ara-dalana noho ny amin'izany.

    Nampanantena an'i Davida anefa Andriamanitra fa ny Zanany no hanapaka marina ny firenena ary "hanangana" ny zanak'i Davida ho Zanany Izy. Amin'ny alalan'izany no hahatonga ny Mpanjaka avy amin'i Davida ho tian'Andriamanitra manokana sy mpandova Azy. Tanteraka tao amin'i Jesôsy amin'ny maha-Zanak'i Davida Azy ny fanekena. Handresy ny fahavalony Andriamanitra ary hanome Azy firenena maro ho lovany (Sal. 89:27; Sal. 2:7,8).

    Hitantsika ao amin'ny Rôm. 1:3,4 sy ny Asa. 13:32,33 ny fanambarana ampahibemaso ny maha-Zanak' Andriamanitra Jesôsy . Ny fotoana nanaovana batisa an'i Jesôsy sy ny niovany tarehy teo an-tendrombohitra no nanehoan'Andriarnanitra sy nanambarany ny maha-Zanany an'i Jesôsy (Mat. 3:17; Mat. 17:5).

    Araka ny filazan'ny TV dia tonga "Zanak'Andriamanitra tamin-kery" Jesôsy rehefa natsangana tamin'ny maty ka mipetraka eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra. Tamin'izany fotoana izany no nanatanterahan'Andriamanitra ny fampanantenana nataony tamin'i Davida fa ny zanak'i Davida no hatsangana ho Zanak'Andriamanitra ary hampitoeriny mandrakizay ny seza fia-ndrianany ambonin'ny firenena rehetra (2 Sam. 7:12-14).

    Araka izany, tsy i Kaisara mpanjakan'i Rôma tsy akory no "zanak'Andriamanitra" mpanapaka ny firenena fa i Jesôsy Kristy. Ny "fiterahana" an'i Jesôsy dia manondro ny fianto-mbohan'ny fanapahany teo amin'ny firenena fa tsy ny fiantombohan'ny fisiany, satria efa nisy hatrizay Izy. Tsy mbola nisy fotoana tsy nampisy an'i Jesôsy satria Andriamanitra Izy.

    Ny Heb. 7:3 aza dia milaza fa "tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana" i Jesôsy (jereo ny Heb. 13:8) satria mandrakizay Izy. Araka izany, tsy mahakasika ny maha-Andriamanitra an'i Kristy ny fanondroana an'i Jesôsy ho "Zanani-lahy Tokana" fa manondro kosa ny anjara asa tanany ao amin'ny drafi-panavotana. Nahatanteraka ireo teny fikasan'ny fanekena rehetra i Kristy tamin'ny nahatongavany ho nofo.

    Nahatanteraka anjara asa maro ny nahatongavan'i Jesôsy teto an-tany amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy. Voalohany, tonga teto an-tany lzy mba haneho amintsika ny Ray. Tamin'ny alalan'ny teny sy ny asa no nanehoany tamintsika ny tena toetry ny Ray sy ny antony ahazoantsika mitoky Aminy sy mankato Azy. Tonga tety amin'ny maha-Zanaka nampanantenaina an'i Davida sy i Abrahama ary i Adama koa i Jesôsy; ireo no nampanantenan'Andriarnanitra fa handresy ny fahavalo sy hanapaka an'izao tontolo izao Izy. Araka izany, tonga Izy mba hanatanteraka izay tsy nahombiazan'i Adama ary koa haneho ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika talohan'ny nisian'ny fahotana (Gen. 1:26-28; Sal. 8:3-8). Tonga teto an-tany mba ho mpanapaka marina araka izay nirin'Andriamanitra hananan'ity tontolo ity i Jesôsy.

    "Ny teny izay natao tamin'i Jesôsy tao Jordana manao hoe: lty no Zanako malalako izay sitrako, dia mahafaoka ny taranak'olombelona. Niteny tamin'i Jesôsy amin'ny maha-solontenan'ny olombelona Azy Andriamanitra. Na dia teo aza ny fahotantsika rehetra sy ny fahalernentsika rehetra, dia tsy ailika isika satria tsy mendrika. Nohasoavina ao amin'ny Malala' isika. Ny voninahitra izay nitoetra teo amin'i Kristy dia antoka fa tia antsika Andriamanitra. (...) Ny fahazavana izay nitaratra avy tamin'ireo varavarana nivoha ka nipaka hatreny amin'ny tavan'ny Mpamonjy dia hilatsaka amintsika raha mivavaka hangataka ny fanampiana hoenti-manohitra ny fakam-panahy isika. Ilay feo izay niteny tamin'i Jesôsy dia milaza amin'ny fanahy mino tsirairay hoe: `Ity no Zanako malalako izay sitrako.'- IFM, t. 101.

    FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

    1 Nianarantsika fa ny fahatakarana bebe kokoa ny tenin'i Jesôsy sy ny asany dia manampy antsika hahafantatra an'Andriamanitra Ray bebe kokoa. Fomba manao ahoana no tokony hanatsaran'ny fahatakaranao bebe kokoa an'i Jesôsy ny fifandraisanao amin'Andriamanitra Ray?

    2. Nianarantsika fa ny fomba nitenenan'Andriamanitra tamin'i Jesôsy sy nataony taminy no tiany hitenenana sy hatao amintsika koa. Inona no ambaran'izany mikasika ny tokony hifampitondrantsika?

    3. Saintsaino ny maha-zava-dehibe ny maha-Andriamanitra mandrakizay an'i Kristy. Inona no miova raha toa isika mino fa i Jesôsy  dia voary noforonina tahaka antsika kanefa maty teo amin'ny hazo fijaliana? Ampitahao amin'ny maha-Andriamanitra mandrakizay an'i Kristy sy ny nahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana izany fiheverana izany. Inona ny fahasamihafana lehibe eo amin'ireo fiheverana roa ireo?

    4. Resaho ao amin'ny kilasy ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra. Vakio ny Apok. 14:7. Ahoana no maha-ampahan'ny fahamarinana ankehitriny sy ampahan'ny hafatry ny anjely telo ny fanomezam-boninahltra an'Andriamanitra?

    Please publish modules in offcanvas position.